Sabata #4 (isaina amin'ireo herinandro mialoha ny Pentekosta)



FIVERENANA AMIN’NY 

MOFO MISY MASIRASIRA

MIOMANA HO AMIN’NY PENTEKOSTA

MANDROSO HO AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:10-17

Lioka 24:44-53

Asa 2:1-11

 

Nahoana No Mahazo Mihinana Mofo Misy Masirasira Indray Rehefa Tapitra Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira?

Satria Tafavoaka ny ota; Fiainana tsy misy ota raha mankatò ny didy, satria Andriamanitra no miaro, ary ny Fanahy Masina mitoetra ao anatin’ny mpino.

 Hevi-panahy : 

  • Pentekosta : Fetin'ny voaloham-bokatra 
  • Ny nahaterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra tao amin'ny Testamenta Vaovao 
  • Pentekosta sy ny Batisan'ny Fanahy Masina 
  • Manorina ny ankohonany / fianakaviany Andriamanitra 

Levitikosy 23:10-17

[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]

(Levitikosy 23:10) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo; » (23:11) « ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy. » (23:12) « Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah. » (23:13) « Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina. » (23:14) « Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra. »

(Levitikosy 23:15) « Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (23:16) « Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray. » (23:17) « Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. »

TORITENY 1

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

FIVERENANA AMIN’NY MOFO MISY MASIRASIRA

Ø  Mandroso Ho Any Amin’ny Pentekosta

Ø  Mandroso Ho Any Amin’ny Fanjakan’andriamanitra

 

·         Inona no lesona amin’izany?

·         Inona no mahatsara an’izany?

Nahoana No Mahazo Mihinana Mofo Misy Masirasira Indray Rehefa Tapitra Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira?

-          Satria Tafavoaka ny ota; Fiainana tsy misy ota raha mankatò ny didy, satria Andriamanitra no miaro, ary ny Fanahy Masina mitoetra ao anatin’ny mpino.

(1 Korintiana 10:1-2) « Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, » (10:2) « ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina, »

(Salamo 105:14) « Tsy nisy navelany hampahory azy, ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: » (Salamo 105:15) « Aza manendry ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. »

(Romana 6:3) « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? »

(Romana 8:33) « Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. » (Romana 8:34) « Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoera eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. »

Fiomanana ho amin’ny Pentekosta: Mofo misy masirasira roa no nasain’i Jehovah entin’ny olona hahevahevan’ny mpisorona ho fankasitrahana azy ireo.

(Levitikosy 23:17) « Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany. »

ü  Ny mofo misy masirasira dia manambara ny olona mpanota nibebaka, manaiky hitandrina ny didin’Andrimanitra, ary izany no ankasitrahany azy.

ü  Ny maha roa ny mofo dia manambara fa avy amin’ny Jiosy (1er) sy avy amin’ny Jentilisa (2e) ireo olona ireo.

ü  Voaloham-bokatra ho an'i Jehovah avy amin’ny mpanota nibebaka sy mitandrina ny didin’Andriamanitra ireo: Isiraely ara-panahy.

ü  Ny Zanak’Isiraely koa dia ambaran’i Jehovah hoe: “santatra ho an’i Jehovah avy tamin’ny firenena rehetra”, noho ny fanekena nataony taminy tao an-tendrombohitra Sinay tamin’ny Pentekosta voalohany (Jeremia 2:3) « Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah. »

Misy heviny maromaro ny teny hoe “voaloham-bokatra” avy amin’ny olombelona, tonga vahoaka sy zanak’Andriamanitra. Ny maha-vahoaka sy zanak’Andriamanitra koa dia misy ara-nofo sy ara-panahy; ny itoviany dia natao ho ohatra ho an’ny firenena amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra izy ireo. Toy zao manaraka izao ny famaritana azy rehetra:

1.      Ny Zanak’Isiraely tao an-tendrombohitra Sinay dia voaloham-bokatra ho an’i Jehovah, avy amin’ny firenena (Jeremia 2:3). Nibebabaka niala tamin’ny ota tao Egypta izy ireo; natao batisa tao amin’ny Ranomasina Mena (1Kor 10:1-2), ary nanaiky hitandrina ny didy tamin’ny Fanekena taloha, izay notenenin’Andriamanitra mivantana taminy tao an-Tendrombohitra Sinay (Eks 19:1-25; 20:1-17).

2.      Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty Ilay nambaran’ny Amboara iray Ahevaheva. Izy no santatra (1 Kor 15:22) « Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy. » (1 Kor 15:23).  « Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany»

3.      Ny olona mino sy manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ka nibebaka sy mitandrina ny Didin’Andriamanitra ary natao batisa tamin’ny anarany, nomena ny voaloham-bokatry ny Fanahy Masina, ary atsangana amin’ny maty ho fanahy na ovana sy omena fiainana mandrakizay rehefa miverina Jesosy Kiristy:

·         Mpianatra nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta, nananganana ny Fiangonana voalohany ara-panahy. (Asa 2:1-11)

·         Ireo olona mino sy manaiky hatao Batisa taty aoriana, ka nandray ny voaloham-bokatry ny Fanahy (Rom 6:3-8).

·         Santatra amin’ny voaloham-bokatra ho an’i Jehovah ireo rehetra ireo, fa samy amin’ny filaharany avy (1 Korintiana 15:23).


Pentekosta, Fetin’ny Voaloham-bokatra 

Fantatr'Andriamanitra avokoa ny olombelona rehetra, ary fantany izay mamaly azy ka mihaino ny antsony.. 

Tefeny ary ataony mitovy endrika amin'ny zanany lahimatoa izay mamaly ny antsony. 

2 Korintiana 1: 21. Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, 22. Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.

Andriamanitra no niantso sy mampitoetra antsika ao amin'i Kristy, sady manao antsika ho santatra na voaloham-bokatra. Kely ny voaloham-bokatra, fa mbola hisy vokatra betsaka aorian'ny fiverenan'i Kristy. Rhefa tonga izany dia hisy ny fampakaram-bady zanak'ondry, ka hiteraka zanaka marobe  ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny olona rehetra izay maty taloha ka tsy nahalala an'Andriamanitra dia hatsangana amin’ny maty ary hampianarina hahalala an'Andriamanitra. Izay mino dia hovaina ho fanahy ho tonga zanak'Andriamanitra. 

Jaona 14: 24. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. 25. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26. fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 

Atao batisa amin’ny Fanahy Masina, handray ny voaloham-bokatry ny Fanahy izay mino. Jesosy no nifidy ny mpianany. Tsy ny olombelona rehetra akory no antsoiny ankehitriny, fa ny voaloham-bokatra aloha no fidiany amin'izao fotoana anjakan'i Satana izao. 

Jaona 15: 16. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. 

Tsy lahatra akory ny fidirana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, fa manana safidy antsitrapo isika, na hanaiky izany isika, na handà Azy. Ny anjely koa aza dia nomeny izany safidy antsitrapo izany, ary ny lehiben'ny anjely dia nanda. 


Pentekosta Taorian’i Jesosy Kristy

Tamin’ny Testamenta Vaovao, ny Pentekosta dia andro nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny olona voafidin’Andriamanitra ho voaloham-bokatra sy santatra ho an’i Jehovah (Asa 2:1-12, 33; Rom 8:23; 2 Kor 1:21-22). Ny Kolosiana, jentilisa niova ho Kristiana dia nampaherezin’i Paoly raha nitandrina ny andro firavoravoana ka nenjehin’ny olona, ary nilazan’i Paoly hoe: aza mety hotsarain’olona amin’ny fanarahanareo ny fombam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, satria aloky ny zavatra ho avy ireo, fa ny tenany dia an’i Kristy (Kol 2:16-17).

Ireo voaloham-bokatra ho an’ny Fanahy sady santatra ho an’i Jehovah ireo no ambaran’ny tandindona mofo roa misy masirasira nahevaheva tamin’ny andro Pentekosta. Olombelona nanota nefa nibebaka ireo; tsy tahaka an’i Jesosy Kristy tsy nisy ota. Isiraelita sy jentilisa no olona nafahina tamin’ny ota voalohany tamin’ny ran’i Jesosy Kristy. Omen’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho tombokase ho azy ireo olona ireo, fa izany no manamasina azy, sy itomboany amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana, ary hahazoany fiainana mandrakizay sy miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Nankalazaina taorian’i Jesosy Kristy ny fetin’ny Pentekosta, tamin’ny andron’ny Apostoly sy taorian’izy ireo (Asa. 20: 16; 1 Kor. 16: 8). Omen’Andriamanitra ny Fanahy Masina ny olona, hahamasina azy, sy hitomboany araka ny Fanahy sy ny fahamarinana. Ny faharetany miaina amin’ny tenin’Andriamanitra no itomboany amin’ny fahamarinana. (Jao 17:17): « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. »

FAMPITAHANA

Tamin’ny herinandron’ny Paska

ü  Ny amboara iray ahevaheva dia manambara an’i Jesosy Kristy niakatra tany amin’ny Ray (Jao 20:16-20) hankasitrahany Azy rehefa nitsangana tamin’ny maty; Santatra amin’ny voaloham-bokatra amin’ny Fanahy ho an’Andriamanitra Izy. (Santatra: 1 Kor 15:23; Eks 34:26; Jer 2:3; 2 Kor 1:22).

Tamin’ny andron’ny Pentekosta

ü  Nahevaheva teo anatrehan’Andriamanitra Ray ny mofo roa misy masirasira izay manambara ny voaloham-bokatra avy amin’ny olombelona nahazo famelan-keloka. Ireo dia tandindon’ny olona masina voafidin’Andriamanitra ho amin’ny fitsanganan’ny maty voalohany, ho amin’ny fiainana mandrakizay, ka hakarina eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka, ary hiara-hiverina aminy ao amin’ny fanjakana arivo taona.

ü  Olona efa nanota nibebaka ireo ; izany no ambaran’ny mofo misy masirasira nahevaheva nankasitrahan’i Jehovah.

ü  Avy amin’ny JIOSY sy JENTILISA miaraka ireo, izany no maha ROA ny MOFO.

Jereo: Jaona 14:2-3; 1 Tesaloniana 4:14-17; Apokalypsy 20:4, 6.

(Jaona 14:2) « Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. » (Jaona 14:3) « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. »

(1 Tesaloniana 4:14) « Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy hiaraka aminy. » (1 Tesaloniana 4:15) « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tesaloniana 4:16) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tesaloniana 4:17) « ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. »

(Apokalypsy 20:4) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. »  (Apokalypsy 20:6) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »

 

 

TORITENY 2

 Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

Lioka 24:44-53

[Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny nisehoany tamin’ny mpianany, ary ny niakarany ho any an-danitra]

(Lioka 24:44) « Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. » (24:45) « Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. » (24:46) « Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; » (24:47) « ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. » (24:48) « Ary ianareo no vavolombelon'izany. » (24:49) « Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (olona roa-polo amby zato no niandry io fotoana nomeny io, Asa 1:15) (24:50) « Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. » (24:51) « Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. » (24:52) « Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. » (24:53) « Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra. »

Lioka 24:46 Ny Maha-Zava-Dehibe Ny Fitsanganana Amin’ny Maty

Anisan’ny fahamarinana fototra ao min’ny Filazantsara ny nitsanganana’i Jesosy tamin’ny maty (1 Kor 15:1-8: Niseho tamin’ny olona maro be Izy rehefa nitsangana):

1) Porofo io fa Izy no Zanak’Andriamanitra (Jao 10:17-18; Rom 1:4).

2) Io no antoky ny fahombiazan’ny fahafatesany ho fanavotana (Rom 6:4; 1 Kor 15:17).

3) Io no manamafy ny fahamarinan’ny Soratra Masina (Sal 16:10; Lio 24:44-47; Asa 2:31).

4) Io no porofon’ny fanamelohana hihatra amin’ny ratsy fanahy (Asa 17:30-31).

5) Io no fototra iorenan’ny fanomezan’i Kristy ny Faahy Masina sy ny fiainam-panahy ho an’ny olony (Jao 20:22; Rom 5:10; 1 Kor 15:45) sady fanorenana ny asa fanompoany any an-danitra itondrany am-bavaka ny mpino (Heb 7:23-28).

6) Io no manome antoka ny mpino momba ny lovany rahatrizay voatahiry any an-danitra (1 Pet 1:3-4; 1 Tes 4:1…).

7) Ataony vonona avy hatrany eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fanatrehan’i Kristy sy ny heriny mandresy fahotana (Gal 2:20; Efe 1:18-20).

Lioka 24:47 Ny Fibebahana Sy Ny Famelan-Keloka

Tsy natao hitory ny famelan-keloka fotsiny ny mpianatra fa tsy maintsy nitaky fibebahana koa. Izay mpitoriteny manolotra famonjena miorina fotsiny amin’ny finoana tsotra kely na amin’ny fandraisana famonjena tsy misy fanoloran-tena hankatò an’i Kristy sy ny Teniny, dia mampianatra filazantsara sandoka. Rehefa mibebaka dia miala amin’ilay fahotana; zava-dehibe iray tsy azo avela ao amin’ny Filazantsara marina araka ny Test V. izany hatrizay hatrizay (jereo Mat 3:2 sy Mar 1:15): è Mibebaha ianareo …

Lioka 24:47 Hotorina

Iraka lehibe ampanaovin’i Krisy izay rehetra manara-dia Azy amin’ny taranaka rehetra ny mitory ny Filazantsara (jereo koa Mat 28:19). Ireto ny tanjona sy andraikitra amin’ny raharaha misioneran’ny fiangonana:

1)                      Mandeha mitety izao tontolo izao ka mitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra araka ny fanambaran’I Kristy sy ny Apostoly ao amin’ny Test V. (Efe 2:20; Asa 13:1-4). 2)

2)                      Ny fitoriana ny Filazantsara dia afantoka amin’ny “fibebahana sy ny famelan-keloka”, ny fampanantenana handray “ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asa 2: 38) ary ny famporisihana hisaraka amin’ity taranaka mpaniasia ity (Asa 2:40) eo am-piandrasana ny fiverenan’i Jesosy avy any an-danitra (Asa 3:19-20; 1 Tes 1:10).

3)                      Ny kendrena dia hanao mpinatra, fa tsy olona miova fo fotsiny, mba hitandreman’ireo ny didin’i Kristy. Io no didy mivantana tsy maintsy tanterahina voalaza eto. Tsy ny hahatonga ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona hamokatra fiovam-po fotsiny no nokendren’i Kristy. Ny tanjaka ara-panahy dia tsy azo amin’ny fampitomboana tsotra fotsiny ny isan’ny mpikambana ao amin’ny fiangonana, fa amin’ny fanaovana mpianatra mahay misaraka amin’izao tontolo izao sy mitandrina ny didin’i Kristy ary manaraka Azy amin’ny fo sy ny saina ary ny sitrapo manontolo (ampit Jao 8:31).

4)                      Ankoatra izany dia asain’i Kristy miala amin’ny rafitra ratsy miely patrana amin’izao tontolo izao, sy misaraka amin’ny fahalotoam-pitondrantena (Rom 13:12; 2 Kor 6:14; efe 5:11).

5)                      Izay mino an’i Kristy sy ny Filazantsara dia tokony hatao batisa amin’ny rano. Io no anehoany ny tokim-panekeny handà ny fahalotoam-pitondrantena mbamin’izao tontolo izao sy ny fahotany, ka hanolotra ny tenany tsy misy arakaraka ho an’i Kristy sy ny fanjakany (Asa 22:16).

6)                      Homba ireo mpanara-dia mankatò Azy i Kristy, omban’ny fanatrehan’ny Fanahy Masina sy ny heriny (Mat 18:20 Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo aminareo dia eo afovoany Aho; 28:20 Indro Izaho momba anareo mandrakariva mandra-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.) Tokony handeha amin’izao tontolo izao izy ireo ka hijoro ho vavolombelona rehefa avy “notafiana amin’ny hery avy any ambony” (Lioka 24:49; Asa 1:8).

Lioka 24:47 Amin’ny Firenena Rehetra

Kristy mihitsy no manorina ny asa misiona Kristiana samihafa ho toy ny raharaha masina tsy maintsy tanterahin’ny fiangonana. Lohahevitra lehibe ny Asa Misiona na ao amin’ny Test T. izany na ao amin’ny Test V. (Gen 22:18; 1 Mpan 8:41-43; Sal 72:8-11; Isa 2:3; 45:22-25; -- Mat 28:19; Asa 1:8; 28:28; Efe 2:14-18).

Lioka 24:49 Ny Teny Fikasan’ny Raiko

Io teny “Fikasan’ny Raiko” mitondra “hery avy any amin’ny avo” io dia manondro ny nandatsahana ny Fanahy Masina efa nanomboka tamin’ny Pentekosta, izay teny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Test T (Isa 32:15; 44:3; Eze 39:29; Joe 3:1) sy ny Test V. (Jao 14:16-17, 26; 15:26; 16:7; Asa 1:4-8; 2:33, 38-39). Nanokan-tena tanteraka hivavaka ny mpianatra to am-piandrasana ny hahatanterahan’ilay teny fampanantenana (Asa 1:14). Tokony hanao torak’izany koa ny mpino amin’izao fotoana izao mikasika ny batisan’ny Fanahy Masina.

Lioka 24:50 Ary Jesosy … Nitsodrano Azy

Zava-dehibe tsy azo avela eo amin’ny fiainan’ny mpanaradia an’Andriamanitra ny tsodrano na fitahiana omeny. Mikasika ny fitahian’Andriamanitra dia misy zavatra maro ampianarin’ny Soratra Masina:

1.                      Ny teny hoe “fitahiana” dia midika hoe:

a) Fanomezana avy amin’Andriamaitra hampahomby ny asa ataontsika (Deo 28:12);

b) Fanatrehan’Andriamanitra ao anivontsika (Gen 26:23);

d) Andriamanitra manome antsika hery sy tanjaka ary fanampiana (Efe 3:16; Kol 1:11); ary

e) Andriamanitra miasa ao anatintsika sy amin’ny alalantsika mba hampisy voka-tsoa (Fil 2:13).

2.                      Ao amin’ny Test T. dia in-400 mahery no ampiasana teny mifandraika amin’ny hoe “fitahiana”. Ny zavatra nataon’Andriamanitra voalohany momba ny olombelona dia nitsodrano azy (Gen 1:28). Fitahiana ihany koa no ihazonan’Andriamanitra ny asan’ny tanany (Eze 34:26). Ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny taranany dia mizotra eo ambany fitahiana sy ozona (Deo 11:26 sy ny manaraka).

3.                      Ny asan’i Kristy manontolo ao amin’ny Test V. dia azo fintinina amin’ny filazana fa Andriamanitra efa “naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo” (Asa 3:26). Hitantsika ny nitsofany rano ny ankizy madinika (Mar 10:13-16) mbamin’ireo mpanaradia Azy fony Izy niala teto an-tany (Lio 24:50-51). Toy izany koa, ny fitahiana dia manana anjara feno ao amin’ny fanompoana sahanin’ny apostoly (Rom 15:29).

4.                      Manaraka fepetra ny fitahian’Andriamanitra. Tsy maintsy misafidy ny vahoakan’Andriamanitra, na fitahiana noho ny fankatoavana, na ozona noho ny tsy fankatoavana (Deo 30 :15-18 ; Jer 17 :5, 7).

5.                      Ahoana ary no fomba handraisantsika ny fitahian’ny Tompo? Zavatra telo loha no takiana;

a) Jesosy hatrany no tsy maintsy iankinantsika mba hahazoana ny fitahiany ho an’ny fanompoana sy ny asa ary ny ankohonantsika (Heb 12:2);

b) Tsy maintsy mino sy tia ary mankatò Azy isika (ampit Mat 5:3-11; 24:45-46; Apok 1:3; 16:15; 22:7);

d) Tsy maintsy esorintsika avokoa ny zavatra rehetra ao amin’ny fiainantsika mety hanakantsakana ny fitahiana (Rom 13:12; Efe 4:22; Heb 12:1).

6.                      Tsy mety raha ny “fitahiana” omen’Andriamanitra no ampitoviana amin’ny tombotsoa ara-nofo azon’ny tsirairay na ny tsy fisiam-pijaliana ao amin’ny fiainantsika (Heb 11:39-40).

(Hebreo 11:39) « Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, » (Hebreo 11:40) « fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika. »

 

Asa 2:1-11

[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany]

(Asan'ny Apostoly 2:1) « Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (2:2) « Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. » (2:3) « Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. » (2:4) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (2:5) « Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. » (2:6) « Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. » (2:7) « Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? » (2:8) « Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika » (2:9) « - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia » (2:10) « sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, » (2:11) « Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? »

Fampitahana ny zava-niseho tamin’ny Pentekosta voalohany nanomezan’Andriamanitra ny Didy folo (Eks 19:1-25; 20:1-17) sy ny Pentekosta nilatsahan’ny Fanahy Masina

Eks 19:1-25; 20:1-17: Fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny firenena Israely tao an-tendrombohitra Sinay: nohamafisiny tamin’ny Teny vavolombelona dia ny Didy folo.

 

Asa 2:1-10: Fanekena vaovao ataon’i Jehovah amin’ny Fiangonana dia ny Isiraely ara-panahy, tamin’ny nadrotsahany ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra.

Fampitahana nataon’i Jesosy:

ü  Ny Fanjakan’ny Lanitra dia tahaka ny Masirasira natao tamin’ny koba, ary hameno ny tany rehetra. Noho izany, ny masirasira dia manambara fitomboana amin’ny fahamasinana ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

·         (Matio 13:33) « Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. »

·         (Eksodosy 14:13) « Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. »

·         (Eksodosy 14:15) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. »

ü  Aoka isika handroso ho any min’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa aza mihemotra.

·         (Matio 5:13) « Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. »

·         (Matio 5:14) « Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. »

·         (Matio 5:15) « Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. »

·        (Matio 5:16) « Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. »

è Manampy amin’ny fitomboana ara-panahy ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny masirasira ao amin’ny fanoharana nataon’i Kristy.

FAMINTINANA NY FIVERENANA AMIN’NY MOFO MISY MASIRASIRA

Ny teny Grika hoe “Pentekoste”dia midika hoe faha 50, ary io no ilazan’ny Testamenta Vaovao ny “Fetin’ireo herinandro” ambaran’ny Testamenta Taloha, aorian’ny Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (Lev. 23:10-16). Ny Pentekosta dia fantatra koa amin’ny hoe “Fety Fijinjana ny Voaloham-bokatra” (Eks. 23:16).

Ireo anarana ireo dia faminaniana ny amin’ny nanorenan’Andriamanitra ny fiangonana voalohany itambaran’ny Jiosy sy Jentilisa, mpanota efa nibebaka, vita batisa, izay nandatsahana ny Fanahy Masina. Antsoina hoe “Kristiana” ireo, satria nomena ny Voaloham-bokatry ny Fanahy, novidina na navotana avy tamin’ny olona, ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanak’Ondry” (Rom. 8:23 ; Asa 20 :28). Jakoba dia nanoratra hoe “santatry ny zavatra noforoniny isika”: (Jakoba 1:18).

Ny fizaran’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ny olon-drehetra dia mitohy mandraka ankehitriny ho an’ireo izay mianatra ny fahamarinany ka mino sy mibebaka ary atao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, Ilay maty sy nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina.

Ny fametrahan-tanana ataon’ny mpanompon’Andriamanitra no andraisan’izay vita batisa ny Fanahy masina. Mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika ka miaina araka ny vokatry ny Fanahy voalazan’ny tenin’Andriamanitra.

Ao anatin’ny vanim-potoana fizaran’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ny olona mino rehetra isika izao, mandram-pihavin’i Jesosy Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra.


Jesosy Kristy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina 

Jesosy Kristy nanao batisa ny Fiangonan'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina 

Jaona 1: 33. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. 

Asan'ny Apostoly 1: 5. fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. 6. Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? 7. Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany. [Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] 8. Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. 

Jesosy Kristy, Ilay mazava, ary Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina : 

Jaona 1: 1. Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. [Na: Tsy mahasakana azy] 6. Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 

Jaona nanao batisa tamin’ny rano, fa Jesosy nanao batisa tamin’ny Fanahy Masina:

Asan'ny Apostoly 11: 16. Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. 

Jesosy Kristy dia sady voaloham-bokatra no santatra 

Romana 8: 29. satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.

Jaona 14: 6. Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 

Isika koa dia lazaina santatra rehefa manaiky ny Tenin’Andriamanitra isika. 

Jakoba 1: 18. Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika. 

Mbola torontoronina isika, fa tsy mbola nateraka ho Fanahy akory. Misy dingana ilay fahateraham-baovao. 

Romana 8: 23. ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.

Sady miteny fiangonana izy eto no miresaka voaloham-bokatra. 

Romana 16: 5. Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy. 

Ny antony hanamboarana antsika dia mba hampidirana antsikaho ankohonan'Andriamanitra, voaloham-bokatra amin’ny Fanahy.

Ny fiangonana dia antsoina hoe Fiangonan'Andriamanitra, ary misy toko sy andininy 12 ao anaty Baiboly milaza io anaranam-piangonana io. Rehefa tezaina ny fiangonana hitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny rehetra dia famoronan'Andriamanitra ny ankohonan'Andriamanitra izany.

Ny "Fiangonan'Andriamanitra" no. Iantsoana ny fiangonana ao amin'ny Baiboly :


Asan'ny Apostoly 20: 28. Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny. [Gr. episkopo] [ Gr. eklesia'] [ Na: [ny fiangonan'ny Tompo] 


Ny Fiangonan'Andriamanitra dia omena sakafom-panahy, aey ny mpitandrina na pastora no mamahana sy mitandrina azy. 


1 Korintiana 10: 32. Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra, 


Tsy Jiosy irery fa misy jentilisa koa ny Fiangonan'Andriamanitra.


1 Korintiana 11: 22. Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho. 

I Paoly dia nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra fahiny. 

Galatiana 1: 13. Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [ Gr. eklesia] 


1 Korintiana 1: 2. mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:  


1 Korintiana 11:16

1 Timothy 3:5, 15

1 Korintiana 11:16

1 Tesaloniana 2:14

2 Tesaloniana 1:4


Ahoana no hahatongavan'ny olona iray ho momba ny tenan’i Kristy ara-panahy, ho Fiangonan'Andriamanitra? 


Mibebaka sy mino ny filazantsara :


Marka 1: 14. Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra 15. ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.


Mibebaka : miala amin'ny fahotana. 

Manota : mandika ny didin’Andriamanitra 

Mibebaka : mianatra ny didin’Andriamanitra, mifona amin'Andriamanitra noho ny fandikan-dalàna, ary miala amin'izany fahotana teo aloha. 

Mahatsiaro fa nanao zavatra tsy mety rehefa mibebaka, ary rehefa mahalala ny marina, sy mahatsiaro tena ho meloka eo anatrehan’Andriamanitra. 

Asan'ny Apostoly 2: 36. Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37. Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? 38. Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; 39. fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

Rehefa mibebaka dia mandray ny Fanahy Masina ary ny voaloham-bokatry ny Fanahy. Tokony hiezaka hanana fitiavana an'Andriamanitra sy fifankatiavana isika rehetra satria Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika. 


1 Korintiana 12: 13. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [ Gr. Grika]


Lasa momba ny tenan’i Kristy isika rehetra. 

Efesiana 5: 30. fa momba ny tenany isika.


Mila mankato ny zavatra nekena tamin’ny batisa isika, fanekena nataony tamin'Andriamanitra izany. Ireto Fepetra ireto no tsiahivina amin'izany, ka tsy tokony hohadinoina. 


1 Mifona sy mibebaka amin'Andriamanitra noho ny fahotana sy fahadisoana natao. 

Mbola nofo sy rà isika, ka mety manoya

2 Mino sy manaiky an'i Jesosy Kristy, Ilay maty sy nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina (Matio 12:38-42)

3 Mino ny Filazantsaran'i Kristy dia ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Izay no notorian'i Jesosy Kristy. 

Ny fanjakana dia misy mpanjaka (Jesosy Kristy), misy vahoaka (ny olombelona rehetra), misy toerana (eto an-tany), ary misy disy sy lalàna mifehy ny olona. 

4 Manaiky hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Inona ny batisa? Atao ahoana? Asitrika anaty rano. Aorian'ny batisa diamisy fametrahan-tanana. 


5 Mino fa ny fametrahan-tanana sy vavaka aorian'ny batisa no handraisantsika ny Fanahy Masina, izay hananatra sy hampahery ary hampiray amin’ny fomba hitandremana ny didin’Andriamanitra. 


Matio 3: 13. Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. 14. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? 15. Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. 16. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. 


Jaona 3: 23. Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. 


Asan'ny Apostoly 8: 14. Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. 15. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. 16. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. 17. Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.  


Inona no tombontsoa sy fitahiana azontsika mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra, fianakavian’Andriamanitra ara-panahy? 


  - Ny Fanahin’Andriamanitra no manambatra antsika ho tena iray amin'i  Kristy.

  - Ny iantsoan'Andriamanitra ny mpino dia tenany, na momba ny tenany:

  - Kolosiana 1: 18. Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [ Gr. eklesia] 

  - Kolosiana 1: 24. Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana, [ Gr. eklesia]

Inona no anoharan'Andriamanitra ny mpikambana ao aminy? 

Tena iray ihany, nefa maro ny momba ny tena, nampisotroina fanahy iray. 

1 Korintiana 12:12-13

Toy inona moa ny Fanahy Masina izay mampitambatra antsika? 

Herin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. 

Asa 1:8

Romana 15:13

Romana 13:19

Ny voaloham-bokatry ny fiangonana dia omena ny voaloham-bokatry ny fanahy, omena mpikambana vita batisa. Io dia ataontsika amin'izao fotoana izao, fa tamin’ny andron’i Jesosy dia natambany io, ary lazain'i Jaona mpanao batisa hoe Batisan'ny Fanahy Masina io. 

Ny olona vita batisa no Fiangonan'Andriamanitra

Ny Fiangonan'Andriamanitra no mamahana ireo zanaka notorontoronin’ny Fanahy ireo mba hitomboany amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra mandra-pahatongan'ny fotoana hiterahana azy ho fanahy, amin’ny fiverenan'ilay Mpamonjy, Jesosy Kristy. 

Fitahiana ny maha-mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra, satria hiditra ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra ireo olona ireo.