Sabata #5 (isaina amin'ireo herinandro mialoha ny Pentekosta)

  NY BATISA AMIN'NY RANO

TENIN’ANDRIAMANITRA

Genesisy 6 : 13-22

Marka 16 :14-18

Romana 6:1-11

 

Genesisy 6 : 13-22

[Noa sy ny Safo-drano]

(Genesisy 6:13) « Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. » (Genesisy 6:14) « Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. » (Genesisy 6:15) « Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. » (Genesisy 6:16) « Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy. » (Genesisy 6:17) « Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany. » (Genesisy 6:18) « Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao. » (Genesisy 6:19) « Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. » (Genesisy 6:20) « Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. » (Genesisy 6:21) « Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany. » (Genesisy 6:22) « Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony. »

Marka 16 :14-18

[Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny nisehoany tamin’ny mpianany ary ny nampiakarana Azy ho any an-danitra]

(Marka 16:14) « [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] » (Marka 16:15) « [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] » (Marka 16:16) « [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:17) « [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Marka 16:18) « [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] »

Romana 6:1-11

[Ny fahafahan'ny mino an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy]

(Romana 6:1) «  Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? » (Romana 6:2) « Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? » (Romana 6:3) « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? » (Romana 6:4) « Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. » (Romana 6:5) « Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena] » (Romana 6:6) « fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. » (Romana 6:7) « Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota. » (Romana 6:8) « Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; » (Romana 6:9) « ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. » (Romana 6:10) « Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. » (Romana 6:11) « Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. »


 NY BATISA AMIN'NY RANO

 

FAMPIDIRANA

Hoy ny Apostoly Petera:

« Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny kelokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. » (Asan’ny Apostoly 2:38).

Mbola manan-kery ve io famporisihan’ny Baiboly io? Ilaina tokoa ve ny batisa amin'ny rano, hahazoana ny Fanahy Masina izay afaka mamonjy antsika? Fa maninona no misy hevitra tsy mitovy momba an'io lafiny lehibe io, izay iray amin'ireo foto-pampianaran'ny Baiboly?

Ankehitriny dia olona an-tapitrisany no mivavaka foana amin'i Jesosy Kristy. « Foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy, »  hoy i Jesosy (Marka 7: 7-8). Didin’ny olombelona mihitsy no resaka eto, fa tsy avy amin'Andriamanitra.

Olona an-tapitrisany no mino fa "voavonjy" izy, nefa raha ny tena izy dia tsia. Heverin'izy ireo fa "tanterak’i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny planin’ny famonjena ", ary ny sisa tokony hataony amin'izao fotoana izao dia ny manaiky an'i Jesosy Kristy, mino Azy ary mino ny Anarany - aorian'izay dia ho voavonjy avy hatrany izy ireo!

Amin’ity lesona ity, hianatra ny fahamarinana momba ny batisan'ny rano isika, ny anjara toerany amin'ny famonjena antsika, ary izay tena aseho marina.

FEPETRA ILAINA AMIN'NY FAMONJENA

Nanambara i Jesosy hoe: "Mibebaha ianareo, ary minoa ny filantsara" (Marka 1: 14-15). Araka ny hitanao amin'ity andininy ity, dia misy fepetra roa lehibe ilaina amin’ny famonjena: ny fibebahana sy ny finoana ny filazantsara. Tsy maintsy manaiky an’ireo isika.

Amin'Andriamanitra ny fibebahana; Midika izany hoe mandà ny lalantsika mpanota, miala amin'izany, mba hiaina araka ny didin'Andriamanitra.

Ny finoana dia ny fahatokiantsika tanteraka ny sorona nataon'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra, izay nandoa ny sazin'ny fahotantsika tamin'ny fahafatesany; Izy io koa dia ny fankatoavantsika an'i Jesosy Kristy amin'ny maha-Mpamonjy antsika manokana Azy. Raha tsy misy ny finoana dia tsy azontsika atao ny mino ny Filazantsara na Vaovao Mahafalin’ny fananganana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany.

Nefa, moa ve tena izany ihany no ilaintsika hatao, hahazoana ny Fanahy Masina? Tsy misy fepetra hafa ve?

Tamin'ny andro Pentekosta, ny apostoly Petera, niresaka tamin'ny vahoaka, dia nandidy azy ireo hoe: "Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra, ho famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apostoly 2:38). "

Mandidy antsika Andriamanitra hanao batisa, mba ho afaka amin'ny sazin'ny ota, ary handray ny Fanahy Masina. Ny batisa dia maneho ny finoantsika an'Andriamanitra, ny finoantsika ny fahafatesan'i Kristy nandoa ny onitra amin'ny fahotantsika, ary koa ny finoantsika ny filevenana sy ny fitsanganan'ny Mpamonjintsika. Ny batisa dia Manambara ihany koa ny fahafatesan'ny tenantsika sy ny toetrantsika mpanota, izany hoe "olona taloha", izay “alevina ao anaty rano”.

Ny fanazavana entin’izany finoana izany dia izao : Tsy ampy amin’ny famonejana antsika ny fibebahana sy finoana fotsiny; mbola mila batisa isika. Satria ny fibebahana sy ny finoana an'i Jesosy Kristy dia mitondra antsika amin'ny fiainana vaovao mankatò, dia nandidy ny baiko hatao batisa Andriamanitra, tsy ho mariky ny fiovam-po ihany, fa ho porofon'ny fankatoavantsika Azy koa. Ny batisa amin'ny rano dia baiko.

Amin’ny maha-fahavalon’Andriamanitra azy, Satana dia namorona famitahana maro mikasika ny fampianaran'Andriamanitra momba ny batisan'ny rano (II Kor. 11: 13-15). Izy koa aza dia namitaka olona an-tapitrisany tamin'ny famporisihana azy ireo hatao batisa amin'ny fandriana, ary hihevitra ny tenany ho kristiana marina, nefa raha ny tena izy, dia tsy nahavita ny dingana voalohany mankany amin'ny tena fiovam-po na fibebahana marina akory.

Amin'ny ankapobeny, ny batisa dia raisin’ny olona ho fombafomba tsotra maha-mpikambana ao amin'ny antokom-pivavahana iray, fa tsy fandevenana fiainana mpanota sy fanombohan'ny fomba fiainana vaovao. Nanjary dingana mekanika ny famelana ny fahotana, tsy misy dikany loatra, vokatry ny fanolanana ny batisa, izay niteraka fiovam-po sandoka maro.


VOAVONJY TAMIN'NY RANO I NOA

Ny Testamenta Taloha dia misy ohatra vitsivitsy - na faminaniana - momba ny dikan'ny batisan’ny rano. Andao hiezaka ny hahatakatra ny maha-zava-dehibe azy isika sy ny fifandraisany amin'ny fampianaran'i Jesosy Kristy momba ny batisa sy ny famonjena antsika mandrakizay.

1. Rehefa nihabetsaka ny olona tety ambonin'ny tany, dia nankatò an'Andriamanitra ve izy ireo? Naleony ve nanao herisetra sy heloka bevava? Gen. 6: 5, 11-12.

2. Inona no fanapahan-kevitr’Andriamanitra mba hanasaziana ireo olona nanalavitra Azy? Gen. 6: 7. Inona no fomba nandringanana azy? Andininy 17.

Fanamarihana“Fa fahafatesana no tambin'ny ota” (Romana 6:23). Ilay tontolo ratsy fanahy sy mpanota, tamin'ny andron'i Noa, dia nijinja ny vokatry ny lalany ratsy sy ny fanaony feno fahotana.

3. Iza no nahita fitia teo imason’i Jehovah, tamin'izany andro naha-feno ota ny tany izany? Gen. 6: 8. Fa maninona no nomen'Andriamanitra fitia i Noa? Moa ve satria lehilahy tsy nivadika i Noa ary nankatò ny didin Andriamanitra? Andininy 9. Jereo koa ny 2Pi. 2: 5.

4. Nandidy an'i Noà Andriamanitra hanamboatra sambofiara goavambe izay hahafahan'i Noa sy ny fianakaviany miala amin'ny safo-drano, izany hoe ny fanasaziana noho ny tsy fankatoavana (Gen. 6: 14-16). Ahoana no nanehoan'i Noa finoana ny fampanantenan'Andriamanitra famonjena mba hialana amin'ny sazy? Gen. 6:22 sy Heb. 11: 7.

Fanamarihana: Naharitra zato taona no nanatanterahana ny fananganana ilay sambofiara (ampitahao amin'ny Gen. 5:32 sy Gen. 7:11). Nandritra io fotoana lava io, dia azo antoka fa naneso an'i Noà ny olona, ary noheveriny fa very ny sainy. Fa i Noa dia tsy nitsahatra nino an'Andriamanitra; Natoky Azy. Nanana finoana velona izay namonjy azy.

5. Ny famonjena an’i Noà tamin’ny tambin’ny ota – tamby nampizakaina an’izao tontolo izao tamin’ny alàlan’ny safodrano goavam-be (fasana rano ho an’izao tontolo izao mpanota) - io famonjena io ve no sarin’ny famonjena antsika amin'ny tambin'ny ota, amin'ny ranon'ny batisa ao amin'ny Testamenta Vaovao? 1 Pi. 3: 20-21.

Fanamarihana: Hitanay fa amin'ny lafiny roa amin'ny famonjena - ny an'ny sambofiara, tamin'ny andron'i Noa, ary izay voatondro ao amin'ny Testamenta Vaovao - mandidy Andriamanitra mba hanaiken’ny olona hanao zavatra iray amin'ny alàlan'ny ny rano; Noho izany dia mitsapa ny finoan'ny olona Izy. Amin'ireo tranga roa ireo, dia takiana ny fankatoavana ho famonjena. Andriamanitra nandidy an'i Noa hanamboatra sambofiara hamonejna azy amin'ny safodrano: Nino an'Andriamanitra i Noa, ary nankatò Azy. Nanamboatra ny sambofiara izy, na dia tsy nahita antony hanaovana izany aza, tamin'ny fotoanany.

Ho antsika, izay miaina ao anatin'ny vanimpotoan'ny Testamenta Vaovao, Andriamanitra dia mandidy antsika hatao batisa amin'ny rano. Raha misy olona mino an'Andriamanitra ka hankatò Azy sy atao batisa, dia ho voavonjy izy ireo. (Ireo fepetra takiana dia: ny fibebahana, ny finoana ary ny batisa.) Mazava tsara ny fampitahana ao anatin'ireo tranga roa ireo! Ho voavonjy isika raha miaina amin'ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

Ny ranon'ny batisa dia tandindona fotsiny; tsy manavotra antsika amin'ny fahotantsika izany. Ny zavatra angatahin'Andriamanitra, tsarainy sy ekeny, dia ny fankatoavana asehontsika rehefa manaraka ny didin'ny batisa isika.
Fanamarihana: Nomen'Andriamanitra fomba handosirana ny ota i Noa, ary hovoavonjy amin’ny fandringanana ny tontolo mpanota taloha. Naneho ny faniriany sy ny sitrapony i Noa, hiala tao anatin'ny ota, ary handositra ny sazin'ny fahotana, izay fahafatesana. Naneho ny finoany tamin'ny alàlan'ny asa fankatoavana izy. Io finoana io, io fankatoavana io ihany, io no antenain'Andriamanitra amintsika, raha te ho voavonjy amin'ny tambin'ny fahotantsika isika.
Ny teny ao amin'ny 1 Petera 3:21 manao hoe: "tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo", dia manondro fa ny batisa tsy manaisotra ny lafiny ara-nofo amin'ny toetrantsika; tsy ny batisa no mamonjy antsika. Ny fehezan-teny sisa no mamita ny torolàlana: "ny fanoloran-tena momba ny fieritreretana", izany hoe ny fibebahana, dia ilaina alohan'ny hidiran'ny Fanahy Masina amintsika, izay hanangna antsika indray andro any, tahaka ny nanangany an'i Kristy ; Izany no hamonjy antsika. Izany no ahitantsika ao amin'io andininy io ny baiko roa, dia ny fibebahana sy ny finoana. Toa an'i Noa, dia mila mino ny Tenin'Andriamanitra isika - ary manaiky hatao batisa. Dia homena antsika "ny Fanahy Masina", ny Fanahy izay mamonjy.


NATAO BATISA TAO AMIN'NY RANOMASINA NY ISIRAELY

Andao hodinihintsika ankehitriny ny fampitahana iray hafa ao amin'ny Testamenta Taloha, izay manasongadina ny baikon'ny batisa.

Raha nonina tany Egypta ny Zanak’Isiraely, nandevozin’i Farao izy ireo; izy ireo dia teo ambany ziogan'ny tompony, sady nanota teo ambany fahefan'i Satana. Egypta sy i Farao ary ny tafiny dia maneho an'i Satana sy ny ota. Andriamanitra nandidy ny Isiraelita hivoaka avy tany Egypta, izany hoe hivoaka ny ota.

Teo ambany fitarihan’i Mosesy, dia nanomboka nifindra monina avy tany Egypta ny Isiraelita, rehefa avy nametraka ny ran'ny zanak'ondry natao sorona teo amin’ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny tranon'izy ireo. Toy izany koa, isika, rehefa nanaiky ny ran'i Kristy, "Paska ho antsika" (1 Kor. 5: 7), dia tsy maintsy vonona ny hivoaka amin'ny ota. Ny fiainganan'izy ireo avy tany Egypta dia fanambarana ny fialantsika amin'ny ota.

1. Faly sy ravo ve ny Israelita rehefa nandao an'i Egypta izy ireo? Nom. 33: 3.

(Nomery 33:3) « Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra. »

Fanamarihana: Ny teny hoe "tanana avo" dia midika fifaliana. Eny tokoa, nandao an'i Egypta ny Isiraelita sambatra sy nientam-po, nandritra ny fifindra-monina noho ny fanafahana azy ireo amin'ny ziogan'ny Egyptiana.

2. Raha mbola nifaly tamin'ny fahafahany izy ireo, nanenjika azy ve ny mpanjaka egyptiana niaraka tamin'ny tafiny? Eks. 14: 8-9.

Fanamarihana: Ankehitriny dia olona an-tapitrisany no tsy mahatsapa fa ny tenany dia miaina toe-javatra mitovy amin'izay niainan’ny Isiraelita fahiny. Rehefa nanaiky an'i Kristy sy ny rany ho famelana ny fahotany izy ireo, dia mino fa voavotra tamin'ny fomba iray monja teo amin’ny ziogan'ny ota rehetra - tahaka ireo Isiraelita, izay nihevitra fa rehefa nandao an'i Egypta izy, dia nino fa afaka tanteraka tamin'ny fanandevozana azy ; kanjo indro fa manenjika azy indray avy eo i Farao sy ny tafiny !

3. Andriamanitra ve no nandefa an'i Mosesy hanafaka ny Israelita amin'ny ziogan'ny Egyptiana – izany hoe amin'ny ziogan'ny ota? Eks. 3:10 sy Asa 7: 5.

4. Moa ve i Mosesy tsy tandindon'i Kristy? Asan’ny Apostoly 7:37. Ny teny hoe "mpaminany" dia milaza an'i Kristy. Mariho ireo teny hoe "mpaminany toa ahy" (jereo koa ny Asan'ny 3: 20-22). Moa ve Andriamanitra tsy naniraka an’i Jesosy Kristy hanafaka antsika amin'ny fahotantsika? Rom. 3: 24-25.

Fanamarihana: Mosesy izay nirahin'Andriamanitra hanafaka ny Isiraely amin'ny fanandevozana ara-batana, dia maneho an'i Kristy; taty aoriana dia nandefa ny "Zanany lahitokana" Andriamanitra mba hanafaka ireo mpino mibebaka amin'ny fanandevozana ara-panahy.

5. Inona no nolazain'i Mosesy, mpitarika ny Isiraelita, rehefa nivadi-po izy ireo noho ny fanenjehan'ny tafika Egyptiana? Eks. 14:13. Mety ve ny natahorany ny tafika Egyptiana? Moa ve Andriamanitra tsy nanoro hevitra azy ireo hankatò Azy, ary handeha am-pahatokiana, matoky ny heriny hahavotra azy? Andininy 15.

Fanamarihana: Tahaka izany koa, ankehitriny, mba hanomezan’Andriamanitra famonjena antsika, dia mandidy antsika hankatò ny didiny Andriamanitra ary hatoky Azy. Mampalahelo fa betsaka ny olona mino ny fampianarana hafa. Mihevitra izy ireo fa ny zavatra rehetra tokony hataony mba hahavoavonjy azy, dia ny manaiky an'i Kristy ary mino ny ra izay nalatsany ho antsika rehetra!

6. Inona no fanampiana hafa, azon'ireo Isiraelita, niarovan'Andriamanitra azy ireo tamin’i Farao sy ny tafiny? Eks. 14: 19-20.

Fanamarihana: Ilay anjelin'Andriamanitra dia nandeha teo alohan'izy ireo mba hampisehoana azy ireo ny lalana (ny Isiraelita dia manondro ny tena kristiana amin'izao androntsika izao). Miankina amin'ny toe-javatra, ny andry rahona no nialoha na nijoro tao aoriany.

Ho an'ny tsirairay kosa, tena mila ny fanampian'Andriamanitra isika, dia ny Fanahy Masina, mba hanafahana amin'ny fahotantsika; mandritra ny batisa dia voavela ny ran'i Kristy avokoa ny fahotantsika teo aloha.

7. Rehefa nampiasa hery avy tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia nampisaraka ny Ranomasina Mena (Eks. 14: 21-22), ary namakivaky azy tsy tamim-tahotra ve ny Israelita? Sal. 78:53. Nino an'Andriamanitra ve izy ireo teo ampitana ny ranomasina tamin'ny tany maina? Heb. 11:29.

8. Inona no nanjo ny Egyptiana izay nanenjika ny Israelita teo afovoan'ny ranomasina? Eks. 14: 27-28.

Fanamarihana: Farao sy ny tafiny, izay nalevina ao am-pasana rano, dia maneho ny fandevenana ny ota amin'ny fiainan'ny kristiana mibebaka. "Ny fahafantarana fa ny toetsika taloha (ny aintsika ara-nofo sy mpanota) dia nohomboana, izany hoe novonoina sy nalevina tamin'ny batisa, niaraka tamin’i Kristy, koa dia nanjary rava ny vatan'ny ota, ary tsy ho andevon’ny ota intsony isika. "(Romana 6: 6).

9. Noho izany, moa ve ny fanafahana ny Isiraelita teo ambany ziogan'ny Farao, tamin'ny alalan’ny famakiana ny Ranomasina Mena, no maneho an-tsary mialoha ny batisan'ny Kristiana ankehitriny? 1 Kor. 10: 1-2. Nahoana? Andininy 6.

Fanamarihana: Tamin'ny fotoan'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nandidy ireo mpaminaniny indraindray mba hiaina mivantana ny zavatra nambarain’ny faminaniana (Ezek. 4: 1-17, sy 5: 1-4). Ary toy izany koa, ankehitriny Andriamanitra mandidy izay rehetra maniry marina ny ran'i Kristy hamongotra ny fahotany, mba hanao ny anjarany amin'izany hetsika izany, dia ny fanatanterahany ara-bakiteny ny batisa. Izany no manasongadina ny tena dikan'ny batisa.

Izany tokoa, satria ny fiampitan’ny Isiraelita ny Ranomasina Mena, sy ny fandringanana an’i Farao sy ny tafiny (ilay "tenantsika mpanota taloha"), dia maneho an-tsary ny batisan'ny rano ao amin'ny Testamenta Vaovao.


JAONA MPANAO BATISA

Nandritra ny taonjato maro Andriamanitra dia tsy nitsahatra nandidy ny olona hibebaka. Zava-dehibe ny fibebahana.

Nahoana? Satria noforonina miaraka amin'ny safidy malalaka isika. Raha tsy misafidy ny lalan'ny fibebahana isika - amin'ny fampanekena an'Andriamanitra ny sitrapon'olombelona ao anatintsika - dia tsy ho afaka ny handray ny Fanahy Masina.

Fotoana fohy mialoha ny nahatongavan'i Kristy voalohany (izany hoe talohan'ny nidinan'ny Fanahy Masina), dia naniraka an'i Jaona Mpanao Batisa Andriamanitra hanatanteraka batisa manokana, izay antsoina hoe batisan'ny fibebahana. Natao inona izany? Andao hodinihintsika.

1. Mpaminany ve i Jaona Mpanao Batisa, nirahin'Andriamanitra hanomana ny lalana ho an'i Jesosy Kristy? Matio. 3: 1-3.

(Matio 3:1) « Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe: » (Matio 3:2) « Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 3:3) « Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3). »

2. Nanao batisan’ny rano ve izy? Jaona 1:33.

(Jaona 1:33) « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. »

Fanamarihana: Tsarovy fa ny batisa dia tandindon'ny fandevenana ny tenantsika mpanota taloha; ary ny fibebahana dia mialoha ny batisa.

 3. Iza no naniraka an’i Jaona Mpanao Batisa, ary fahefan’iza no nanaovany batisa? Lioka 3: 2-3, Mat. 21:26.

(Lioka 3:2) « ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra. » (3:3) « Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka; »

(Matio 21:26) « Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona. »

Fanamarihana: Fantatry ny loholona sy ny lohandohan'ny mpisorona fa mpaminany Jaona, nirahin'Andriamanitra; na izany aza dia tsy te hanaiky izay ataony izy ireo, satria ny fanekeny izany dia midika fankatoavana fa avy amin'Andriamanitra ny fahefan'i Kristy.

4. Inona ny batisa notorin'i Jaona? Marka 1: 4-5 sy Matio 3:11.

(Marka 1:4) « dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. » (Marka 1:5) « Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. »

(Matio 3:11) « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; »

Fanamarihana: "Ny batisan'ny fibebahana" dia midika marina ny tian'io anarany io ho lazaina. Ireo izay natao batisan'i Jaona dia efa nibebaka tamin'ny fahotany, ary navelan'Andriamanitra ny fahotany. Saingy ireo olona ireo dia tsy nandray ny Fanahy Masina - izay hery maharesy ny ota sady manome fifehezan-tena - satria, tamin'izany fotoana izany, tsy mbola nomena ny Fanahy Masina. Tsy nidina izy raha tsy tamin ny andro Pentekosta, taorian'ny nitsanganan'i Kristy. Ny fitantarana feno nataon'i Lioka dia milaza fa nirahina i Jaona Mpanao Batisa, "hanome ho an’ny vahoakany [ny vahoakan'Andriamanitra], ny fahalalana ny famonjena amin'ny famelana ny helony" (Lio. 1:77).

5. Hatramin'ny nanomboana an'iKristy tamin’ny hazo fijaliana sy nitsangan tamin'ny maty, dia fomba manao ahoana no handraisantsika ny Fanahy Masina? (Asan’ny Apostoly 2:38). Tany Efesosy, voatery namerina batisa ve ny mpino nibebaka? Asan’ny Apostoly 19: 1-6.

(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »

(Asan'ny Apostoly 19:1) « Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy » (19:2) « ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. » (19:3) « Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. » (19:4) « Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. » (19:5) « Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. » (19:6) « Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. »

Fanamarihana: Ireo izay natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona dia tsy maintsy namerina batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, mba hahazoana ny Fanahy Masina.

DIDIN’NY TESTAMENTA VAOVAO
Mbola mitombina ihany ny didin'ny batisa. Andao hodinihintsika ny porofo.

1. Namela ohatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra ve i Jesosy, mba hanarahantsika ny diany? 1 Petera 2:21. Moa ve no nataon'i Jaona Batisa koa Izy? Matio 3: 14-16.

(1 Petera 2:21) « Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; »

(Matio 3:14) « Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? » (3:15) « Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. » (3:16) « Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. »

Fanamarihana: Na dia tsy nanota aza i Jesosy, izay tsy maintsy hibebahany, dia natao batisa Izy, nanome ohatra ho antsika.

2. Taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nankininy tamin'ny apostoly ny iraka fitoriana ny Filazantsarany. Ao amin'ny torolalana nomeny, nasehony ve fa ilaina amin'ny famonjena ny batisa? Marka 16: 15-16. Inona no hitranga amin'ireo tsy mino sy tsy mety hatao batisa? Io andininy io ihany.

3. Inona no nolazain'i Matio momba an'io iraka manan-danja io? Matio. 28: 19-20.

(Matio 28:19) « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (28:20) « sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. »

Fanamarihana: Kristy no nanendry ny batisa.

4. Inona no baiko nomen'ny apostoly Petera taorian'ny nahafatesan'i Kristy? Asan’ny Apostoly 2:38.

(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »

5. Tsy voasoratra ve fa natao batisa ny mpino nibebaka? Asan’ny Apostoly 2: 41; 8: 5, 12.

(Asan'ny Apostoly 2:41) « Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. »

(Asan'ny Apostoly 8:5) « Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao. »

(Asan'ny Apostoly 8:12) « Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. »

6. Folo taona taorian'ny nitorian'ny Apostoly Petera tamin'ny Jiosy tany Jerosalema ny toriteniny voalohany avy amin'ny Fanahy Masina, dia nirahin'Andriamanitra hitory ny Filazantsara amin'ny Jentilisa Izy. Taminà fahagagana dia tonga tao an-tranon'i Kornelio, mpanompo sampy italianina, tso-po sy be fanoloran-tena izy. Saingy tsy nanana ilay finoana mamonjy i Kornelio. Izany no nahatonga an'i Petera hitory taminy sy ny fianakaviany ny famelana heloka amin’ny alalan'i Kristy. Asan’ny Apostoly 10:22, 43.

(Asan'ny Apostoly 10:22) « Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao. »

(Asan'ny Apostoly 10:43) « Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka. »

Nandray ny Fanahy Masina ve ny fianakavian'i Kornelio talohan'ny nanaovana batisa azy? Andininy 44-45. Io fandraisana ny Fanahy Masina talohan'ny batisa io ve maneho famantarana manokana, nomen'Andriamanitra an'ireo apostoly? Asan’ny Apostoly 11: 17-18.

(Asan'ny Apostoly 10:44) « Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 10:45) « Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. »

(Asan'ny Apostoly 11:17) « Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? » (Asan'ny Apostoly 11:18) « Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. »

Fanamarihana: Tamin'ity tranga ity, nanao seho miavaka Andriamanitra. Amin'ny ankapobeny, ireo mpino mibebaka dia vita batisa alohan'ny handraisana ny Fanahy Masina (Asa. 2:38). Saingy, noho i Kornelio sy ny fianakaviany hafa firenena niova fo, (mpanompo sampy), Andriamanitra dia nanova ny filaharan'ireo fepetra ho amin’ny famonjena ireo. Nomeny ny Fanahy Masiny alohan'ny batisa ry Kornelio mianakavy. Nataony famantarana ho an'i Petera sy ny apostoly namany izany, hampahafantatra azy ireo, fa Izy, ilay Andriamanitra Mandrakizay, dia nanokatra ny lalana famonjena ho an'ny Jentilisa.


7. Nandidy avy hatrany ve i Petera mba hanaovana batisa an'i Kornelio sy ny ankohonany? Asan’ny Apostoly 10: 47-48.

(Asan'ny Apostoly 10:47) « Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? » (Asan'ny Apostoly 10:48) « Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy. »

Fanamarihana: Ny Filazantsara izay nasain'i Kristy notorin’ny Fiangonany, dia tsy hafatra momba ny toetran'i Jesosy ihany, fa mikasika indrindra ny Filazantsara nanirahana Azy hotorina amin’ny olombelona rehetra: ny Vaovao Mahafaly momba ny fananganana ny Fanjakan'Andriamanitra eto tany.

Inona no tokony hinoantsika raha te voavonjy? Ny Vaovao Tsara, izany hoe ny Filazantsara, mazava ho azy (Marka 1: 14-15). Ny mino ny Filazantsara dia midika hoe mino an'i Kristy ho Tompontsika sy Mpanjakantsika ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Midika fanaovana batisa ihany koa, satria mila atao batisa isika mba ho voavonjy.

(Marka 1:14) « Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » (Marka 1:15) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. »

Fanamarihana: Ny Batisa dia ampahany amin'ny iraka masina izay tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny (Marka 16:15-16).

(Marka 16:15) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra; » 16:116 « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina »

BATISA TONDRAHANA, FAFAZANA, SA ASITRIKA?

Ny teny hoe "batisa amin'ny fanondrahana" sy ny "batisa amin'ny famafazana" dia tsy ara-baiboly. Ny hany nampiasan'ny Testamenta Vaovao ny teny hoe "famafazana" dia ny amin'ny fandatsahan-dra, fa tsy momba ny batisa mihitsy. (Hebreo 11 :28 ; Hebreo 12 :24).

(Hebreo 11:28) « Finoana no nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny] »

(Hebreo 12:24) « sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela. »

Na ny Rakipahalalana Katolika aza dia manaiky fa ny batisa asitrika, izany hoe fandevenana tanteraka ao anaty rano, dia notanterahina tany am-piandohana, ary nahilika avokoa ireo fomba hafa rehetra: "Ny endrika tranainy indrindra dia ny batisa asitrika. Tao amin ny fiangonana latina [izany hoe ny fiangonana katolika romana], ny batisa asitrika no nanjaka hatramin'ny taonjato faha-12. Taorian’io vanim-potoana io, dia mbola hita ihany izany tany amin’ny toerana samy hafa, hatramin’ny taon-jato fahefatra ambin’ny folo. Ny batisa amin’ny fanondrahana sy tamin’ny famafazana dia niha-malaza tamin'ny taonjato fahefatra ambin'ny folo, ary nanjaka tao amin'ny Fiangonana tandrefana".

Ny teny hoe "batisa" dia avy amin'ny teny Grika baptismos, ary midika hoe fanitrihana na fandetehana ao anaty rano.

Izany dia fandevenana tanteraka ao anaty ranoBaptismos sy Baptizo dia tsy manana dika hoe famafazana na fanondrahana, fa ny teny grika milaza an’ireo dia ny hoe rantidzo na cheo. Mariho fa ny Soratra Masina avy amin’ny tsindrimandrin' Andriamanitra, dia tsy nampiasa afa-tsy ny Baptizo fotsiny.

Ny batisa amin'ny alàlan'ny fanondrahana na ny famafazana dia tsy batisaNy hany batisa marina dia ny fanitrihana, alentika tanteraka ao anaty rano. Ny batisa dia tandindon’ny fandevenana ny "tena", ny olombelona ara-nofo; raha tsy alentika tanteraka ao anaty rano ianao dia toy ny alevina ampahany ihany.


1. Nahoana i Jaona no nanao batisa tao Enona, akaikin'i Jerosalema? Jaona 3:23. 

(Jaona 3:23) « Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. »

Fanamarihana: Rano amin’ny kaopy fotsiny no ilainy, na amin’ny zinga raha be indrindra, raha toa ka tsy mila asitrika tanteraka ny fanaovana batisa.

2. Inona no porofo hafa ananantsika fa ny batisan'i Kristy dia natao tamin'ny fanitrihana anaty rano? Matthew. 3:16.

(Matio 3:16) « Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. »

Fanamarihana: I Jesosy dia tsy maintsy nidina tao anaty rano, satria ny Baiboly milaza fa "nivoaka avy tao anaty rano" Izy. Ilaina ve ny "mivoaka" tao anaty rano aorian'ny famafazana?


3. Rehefa nanao batisa ilay tandapa i Filipo, dia nidina tany anaty rano daholo ve izy ireo? Asan’ny Apostoly 8:38.

(Asan'ny Apostoly 8:38) « Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. »

Fanamarihana: Tsy nisy antony tokony hidinan'i Filipo tao anaty rano, raha tsy nanitrika ilay tandapa izy. Raha fanondrahana na famafazana fotsiny no nilaina, dia ho vitany tsara ny nanatontosa ny batisa tamin'ny nanatonany ny morontsiraka, mba hahazoana rano kely ao anaty tanany.

Noho izany, manana porofo mivaingana isika na amin'ny Baiboly, na amin'ny fiteny grika, na ao amin'ny asa soratry ny mpahay tantara koa, fa ny batisa marina dia tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny fanitrihana tanteraka, ary io fomba io ihany no nampiharina tamin'ny Fiangonana Voalohany.

NY DIKAN'NY BATISA AMIN'NY BAIBOLY

Fantatrao ve ny dikan'ny batisa amin'ny Baiboly? Ny fanazavana eto ambany dia hanampy anao hahatakatra izany. Ho hitanao koa fa tsy nofoanana ny lalàn'Andriamanitra.


1. Afaka mampifaly an'Andriamanitra ve ny toe-tsaina tsy mihevitra afa-tsy ny nofo sy tia tena? Rom. 8: 5.8. Mankatò ny Lalàn'Andriamanitra ve izy? Andininy 7. Inona ny vidin'ny fitiavana ny nofo? Andininy 6 sy Rom. 6:23.

(Romana 8:5-8) « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. » (8:6) « Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana » (8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. » (8:8) « Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. »

(Romana 6:23) « Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. »

2. Moa ve ny kristiana tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra, maniry ny hanaraka ny fironan'ny nofo? Moa ve izy ireo tsy nohatanjahin'ny Fanahy Masina, mba handeha amin'ny làlan'ny fahamarinana? Rom. 8: 1, 9.

(Romana 8:1) « [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. »

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. »

3. Amin'ny asan'ny batisa, tsy mampiseho ny faniriantsika handevina, ao am-pasana rano, ilay tenansika taloha ve isika, izany hoe ny lalan'ny fahotana, halevina miaraka amin'i Kristy indray mandeha sy tanteraka? Aorian'io "fahafatesana" amin'ny alàlan'ny batisa io, tsy tokony hanaiky tsy misy fepetra ny tenantsika hanao ny sitrapon'Andriamanitra ve isika, "tahaka ny hoe nitsangana tamin'ny maty"? Rom. 6:13. Tsy maneho ve izany fa ny kristiana tsirairay, tarihin'ny Fanahy Masina dia tsy te-hiaina intsony araka ny filan'ny nofo, fa araka ny lalàn'Andriamanitra, amin'ny herin'ny Fanahy Masina?

(Romana 6:13) « ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan'] »

Inona No Ifandraisan'ny Batisa Amin'ny Fahafatesana, Fandevenana Ary Fitsanganan'i Kristy?

4. Andriamanitra Ray ve nandefa an'i Jesosy Kristy hanameloka ny ota ao amin'ny nofo, ary mampiseho ny fomba hananan'ny olombelona mety maty, fiainana tsy misy ota, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, izay anorontoronana azy? Rom. 8: 3. Moa ve i Kristy maty mba handoa ny sazin'ny fahotantsika? 1 Kor. 15: 3. Tsy nalevina ary natsangana tamin'ny maty va Izy? Andininy 4, sy Rom. 8:11.

(Romana 8:3) « Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, »

(1 Korintiana 15:3-43« Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, » 4« dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; »

(Romana 8:11) « Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. »

Ny Soratra Masina dia manaporofo fa isika, amin'ny maha-kristiana antsika, dia tsy maintsy mamono an'ohatra ny maha-olombelona antsika, na dia mbola velona aza isika. Ary amin'ny alàlan'ny herin'ny Fanahy Masina ihany, izay mitoetra ao amintsika, no ahaizantsika mitandrina ny Lalàn'Andriamanitra, mba handovantsika fiainana mandrakizay.

5. Ny batisa ve no maneho ny fandevenana antsika? Kol 2:12.

(Kolosiana 2:12) « fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty. »

Fanamarihana: Rehefa asitrika ao anaty rano ny olona iray, dia tena ao anaty fasana rano tanteraka izy. Ho faty haingana izy raha tsy esorina tao ara-potoana - raha tsy "atsangana" tao amin'io fasana rano io izy.

6. Ny batisa koa ve maneho ny fahafatesana, sy ny filevenana ary ny fitsanganan'i Kristy? Rom. 6: 3, 5. Io koa ve no maneho ny fialantsika an-tsitrapo amin’ny lalan'ny fahotantsika? Andininy 6.

(Romana 6:3) « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? »

(Romana 6:5) « Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena] »

(Romana 6:6) « fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. »

Fanamarihana: Satria ny planin’Andriamanitra maneho hetsika "roa-hevitra", ny batisa dia maneho ny fanomboana ny "toetrantsika" - ny fiainan'ny ota.
ü  Ny fandevenana an'io tenantsika mpanota io, arahan’ny fivoahany amin'ilay fasana rano, no maneho ny fitsanganan'ny olom-baovao ho amin'ny fiainana ara-panahy ao amin'i Jesosy Kristy.
ü  Ny fidinana ao anaty rano dia maneho ny fahafatesan'i Kristy sy ny fahafatesan'ny tenantsika taloha.
ü  Ny fandevenana na fanitrihana ao anaty rano dia maneho ny fandevenana an'i Jesosy sy ny fandevenana ny tenantsika mpanota.
ü  Ny fivoahana avy ao anaty rano dia maneho ny fitsanganan'i Kristy sy ny fitsanganan'ilay olona ara-panahy vaovao, izay hanaraka "fiainam-baovao", amin'ny fitandremana ireo lalàn'Andriamanitra. Aorian'izany dia tsy fehezin'ny lalam-piainana ara-nofo sy ratsy fanahy intsony isika (Romana 8:12), na dia mbola ao anatintsika aza ny toetra maha-olombelona.

(Romana 8:12) « Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. »

Hoy ny apostoly Paoly: (Galatiana 2:20) « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »

I Kristy mitoetra ao anatintsika, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, ahafahantsika, manomboka eto, manohitra ny fahotana ao amin'ny nofontsika mety maty, ary mankatò ny lalàna ara-panahy (Romana 8: 13).

Ny batisa amin'ny rano dia didin'i Kristy, hanehoantsika ny finoana Azy ho Mpamonjy manokan’ny tsirairayAmin'ny alàlan'ny batisa koa no aneketsika ny fahafatesany, ny filevenany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty ho famonjena antsika.

Ny batisa dia tandindon'ny fibebahantsika amin'ny lalantsika mpanota, sy fandevenana ny "nofontsika taloha", ary fitsanganana amin'ny maty ho amin'ny fiainana vaovao è fiainana mankatò an'Andriamanitra.

AMIN'NY ANARAN'I JESOSY KRISTY
Ity fehezanteny ity dia misy dikany manokana. Takatrao ve izany?

1. Milaza ve ny Baiboly fa nanao batsia mpianatra maro kokoa noho i Jaona i Jesosy? Jaona 3:22 sy 4: 1-3. Ny tenan’i Jesosy mivantana ve no nanao ny batisa? Sa iza no nanao izany?

(Jaona 3:22) « Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. »

(Jaona 4:1) « Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona » (Jaona 4:2) « (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), » (Jaona 4:3) « dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. »

Fanamarihana: Jesosy manokana tsy nanao batisa, fa ny mpianany no nanao izany.

2. Nanao batisa ny mpino tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy ve ny apostoly? Asan’ny Apostoly 10:48.

(Asan'ny Apostoly 10:48) « Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy. »

Fanamarihana: Amin'ny teny grika tany am-boalohany, nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra, ny teny hoe: "amin'ny anaran'i Jesosy”, dia midika hoe "amin'ny fahefan'i Jesosy". Raha manao zavatra ianao "ho an'ny olona iray", dia ataonao amin'ny heriny, amin'ny fahefany, miaraka amin'ny fahazoan-dàlana mazava.

Ny mpianatr'i Jesosy dia nanao batisa tamin'ny anaranyizany hoe, teo amin'ny toeranyIzy ireo no nanao izany tamin'ny fahefany, izany hoe i Jesosy mihitsy no nanao izany. Ankehitriny, ny mpanompon'Andriamanitra dia nasaina manao batisa amin'ny anaran'i Kristy (Kol. 3:17).

(Kolosiana 3:17) « Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin'ny alalany. »

"AMIN'NY ANARAN'NY RAY SY NY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA"

1Moa ve ny mpino mibebaka tokony hatao batisa "amin'ny" anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? Matio 28:19.

(Matio 28:19) « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina »

Fanamarihana: Eto, ny teny grika eis, izay nadika hoe "amin’ny" dia milaza koa hoe "anatiny". Ny Soratra Masina izany manondro hoe “atao batisa” isika, na “asitrika” ao “anatin'ny” Anaran'ny Fianakavian'Andriamanitra - ary izany, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy na amin'ny fahefan'i Jesosy Kristy.

Ankehitriny, ny mpikambana ao amin’ny fianakavian'Andriamanitra, dia ny Ray sy i Jesosy Kristy Zanany. Ny Fanahy Masina no toetra sy hery ary fototry ny fianakavian'Andriamanitra (Jaona 4:24). Mifanohitra amin'ny hevitry ny besinimaro, ny Fanahy Masina dia tsy olona fahatelo.

(Jaona 4:24) « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. »

Aorian'ny batisa, rehefa mandray ny Fanahy Masina isika, dia io Fanahy io no ahafahantsika manana toetra araka an'Andriamanitra. Ary amin'ny farany dia haterak'Andriamanitra ho Fanahy isika, ho tonga zanany, mandova ny Fanjakany. Ny zaza iray vao teraka dia mitondra ny anaran-drainy. Dia toy izany koa, raha zanaka notorontoronin'Andriamanitra isika ankehitriny, dia hitondra ny anaran’Andriamanitra rehefa teraka ao amin'ny Fanjakany ara-panahy (Romana 8:14, 1 Jaona 3: 1).

(Romana 8:14) « Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. »

(1 Jaona 3:1) « Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen'] »

Rehefa atao batisa "amin'ny" anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika dia lasa mpikambana ao amin'ny Fianakavian'izy ireo, toy ny zanaka notorontoronina ihany, - saingy mbola tsy teraka ara-panahy.

ILAINA NY BATISA MBA HIDIRANA AO AMIN’NY FIANGONANA

1. Nampanantena ve i Jesosy fa hato batisa amin'ny Fanahy Masina ny mpianany? Asan’ny Apostoly 1: 5. Oviana no nidina ny Fanahy Masina? Asa. 2: 1, 4.

(Asan'ny Apostoly 1:5) « fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. »

(Asan'ny Apostoly 2:1) « [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. »

(Asan'ny Apostoly 2:4) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. »

Fanamarihana: Tamin'ny andron'ny Pentekosta, tamin'ny taona 31 taorian'i Kristy, dia nanomboka ny Fiangonany ara-panahy Andriamanitra, nanome ny Fanahiny Masina ho an'ny mpianatra.

2. Ny "Fiangonan'i Kristy" marina ve “Tenan’i Kristy”? 1 Kor. 12:12, 27 sy Kol. 1:18.

(1 Korintiana 12:12) « Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. »

(1 Korintiana 12:27) « Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. »

(Kolosiana 1:18) « Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. »

3. Ahoana no fomba hahatongavantsika ho mpikambana ao amin'izany Fiangonana izany? Azontsika atao ve ny miditra ao amin’ny sitrapontsika ihany, sa Andriamanitra no hametraka antsika ao? 1 Kor. 12:13.

(1 Korintiana 12:13) « Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. »

Fanamarihana: Voalaza mazava ao amin'ny Romana 8: 9 fa raha tsy mitoetra ao amintsika ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy isika.

Ny mpikambana tsirairay amin'ny "tenan'i Kristy" (izany hoe ny Fiangonana) dia mikambana amin'ny iray hafa amin'ny alalan’ny fatoran'ny Fanahy Masina mitoetra ao aminy. Ary noho izany, rehefa an'i Kristy isika, rehefa avy nandray ny Fanahy Masina, dia napetraka ao amin'ny Fiangonany – dia ny vatany - amin'ny alalan’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika.

(Romana 8:9) « Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. »

Ny fahavitantsika batisa amin'ny rano fotsiny dia tsy mahatafiditra antsika ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra. Ny Fanahin'Andriamanitra no mametraka antsika ao. Andriamanitra no manendry ireo izay mpikambana ao amin’ny Fiangonany (ireo izay tena nibebaka), amin'ny alàlan'ny fanomezana azy ny Fanahy Masina.

Ny Fanahy Masina no mampidina sy manitrika, izany hoe manao batisa, ary mametraka antsika ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra marina. Io "fanitrihana" ao amin’ny Fiangonana ataon'ny Fanahy Masina io no antsoina ao amin'ny Soratra Masina hoe: "batisan'ny Fanahy Masina", na ny "batisa amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina".


NY FAMETRAHAN-TANANA

Farany, zava-dehibe ho antsika ihany koa ny mahatakatra fombafomba hafa iray notendren'Andriamanitra, izay ilaina amin'ny fandraisana ny herin'ny Fanahy Masina.

1.      Ny fametrahan-tanana ve anisan’ny fotopampianarana lehibe, ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra ? Hebreo 6 :2.

(Hebreo 6:2) « ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. »

2.      Rehefa nakany Efesosy i Paoly, tamin’ny diany fanintelony, dia nahita olona sasany tsy vita batisa afa-tsy tamin’ny batisan’i Jaona ihany (Asa 19 :1-3). Ary rehefa nataon’i Paoly batisa tamin’ny anaran’i Kristy izy ireo, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina rehefa nametrahan’i Paoly tànana (and 6). Araka izany, dia ny fametrahan-tanana no andraisan’ny Kristiana ny Fanahy Masina.

(Asan'ny Apostoly 19:1-61« Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy » 2 « ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. » 3 « Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. » 4 « Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. » « Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. » 6 « Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. »

3.      Nahoana Petera sy Jaona no nandeha nankany amin’ny mpianatra tany Samaria? (Asa 8:14-16).

(Asan'ny Apostoly 8:14-1614 « Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. » 15 « Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. » 16 « Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. »

Ankoatry ny vavaka, inona no nataon’i apostoly mba hanomezana ny Fanahy Masina? (and 17).

(Asan'ny Apostoly 8:17) « Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. »

Simona, mpanao fanafody, feno hevi-dratsy, nikasa hividy an’io fahefana io, satria hitany fa ny Fanahy Masina dia nomena tamin’ny fametrahan-tanana nataon’ny apostoly (and 18-19).

(Asan'ny Apostoly 8:18) « Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy »

(Asan'ny Apostoly 8:19) « ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. »

FAMINTINANA

Tsy nahasakana ny fomban-drazana sy ny fampianaran'ny olona ianao, ka afaka nandinika ny Tenin'Andriamanitra tamin’ny antsipiriany, mba hahafantaranao izay lazainy momba ny batisa amin'ny rano. Hitanao ary fa ny batisa asitrika dia ilaina amin’ny fahazoana ny Fanahy Masina, amin'ny alàlan'ny fametrahan-tanana.

Ny fanekena am-bava ny soron'i Kristy dia tsy ampy. Ny marina dia izao: Raha izany ihany no nilaina, dia ho namonjy antsika tanteraka avy hatrany Andriamanitra raha vao nanao "fibebahana am-bava" fotsiny isika, ary tsy nampiandry antsika Izy! Ho namonjy antsika tamin'ny fijaliana sy ny loza maro tokoa izy!

Izao no tena marina: Andriamanitra mamorona ny toetrany manokana ao anatintsika. Izany anefa tsy azo atao afa-tsy amin'ny alalàn'ny traikefa ananantsika eo amin'ny fankatoavana ny lalàny. Na izany aza, ny ezaka ataontsika irery tsy ahafahantsika maneho fankatoavana tanteraka an'Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina, izay toetra sy fitiavana ary herin'Andriamanitra, no mitondra ny fanampiana izay tena ilaintsika. Ny Fanahy Masina dia fanomezan’Andriamanitra ho antsika raha manaiky ireto fepetra telo ireto: fibebahana, finoana, ary batisan’ny rano (Asa 2:38).

(Asan'ny Apostoly 2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »

TSY TOKONY HAHEMOTRA NY BATISA AMIN'NY RANO. 

Raha mandinika ireo seho voalaza ao amin'ny Testamenta Vaovao isika, dia mahita fa ireo mpino nibebaka dia natao batisa tsy nisy hatak'andro. Ohatra, tamin'ny andro Pentekosta, dia olona telo arivo no vita batisa (Asa 2: 4). Filipo tsy nanary, na fotoana kely aza, mba hanaovany batisa ilay tandapa (Asa. 8:38). Nandefa an'i Ananiasy Andriamanitra mba hanao batisa an'i Saoly, izay novana anarana hoe Paoly taty aoriana. Raha vao nihaona izy ireo, dia hoy i Ananiasy: (Asa 22:16) « Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao. » I Paoly indray nanao batisa avy hatrany ilay mpiambina gadra tao an-tranomaizina, tamin’ny misasak'alina (Asa. 16:33).

Mba vonona ny hankatò an'Andriamanitra ve ianao?