Sabata #3 (isaina amin'ireo herinandro mialoha ny Pentekosta)

FIOMANAN'NY FIANGONANA MIALOHA NY FANEKEN’NY PENTEKOSTA

TENIN’ANDRIAMANITRA

Eksodosy 19:16-25

Lio 19 :12-19

Jakoba 1:18-27

Eksodosy 19:16-25

[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna]

(Eksodosy 19:16) « Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. » (19:17) « Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy. » (19:18) « Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. » (19:19) « Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. » (19:20) « Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy. » (19:21) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. » (19:22) « Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah. » (19:23) « Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. » (19:24) « Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy. » (19:25) « Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy. »

Matio 3:1-12

[Ny nataon’i Jaona Mpanao batisa]

(Matio 3:1) « Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe: » (3:2) « Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (3:3) « Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3). » (3:4) « Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. » (3:5) « Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona, » (3:6) « ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. » (3:7) « Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? » (3:8) « Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo; » (3:9) « ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. » (3:10) « Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (3:11) « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (3:12) « eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty. »

Jakoba 1:18-27

[Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra]

(Jakoba 1:18) « Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika. » (1:19) « Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; » (1:20) « fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra. » (1:21) « Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. » (1:22) « Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. » (1:23) « Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy; » (1:24) « fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny. » (1:25) « Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany. » (1:26) « Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. » (1:27) « Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao. »

TORITENY

Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray

[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna]

[Fanoharana ny amin’ny farantsa folo]

[Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra]

ð Fiomanan'ny Fiangonana alohan'ny nanaovan'Andriamanitra fanekena taminy

Eksodosy 19:16-25

[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna]

NY NAHATERAHAN’NY FIRENENA IRAY HO AN’I JEHOVAH

Ny fanomezana ny Didy Folo dia nanorina ny lalàna izay iorenan'ilay fifanekena taloha. Tamin'ny alàlan'ny fanekena taloha, Andriamanitra dia manana tanjona lehibe ho an'ny Isiraelita fahiny.

(Eksodosy 19: 5-6). « Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. » « Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely. »

Amin’ny maha fanjakana ny olom-boafidy, dia ho mpanjaka izy, hanapaka tanàna betsaka na vitsy, araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lioka 19:16-19; Apokalypsy 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Daniela 7:27). Amin’ny maha mpisorona azy kosa dia ho mpampianatra momba an’Andriamanitra sy ny didiny ary ny Planin’ny Famonjena izy ireo (Malakia 2:7).

Tamin'ny andro Pentekosta, maherin'ny 3.400 taona lasa izay no teraka ny firenen'Israely. Izy ireo dia ho firenena an'Andriamanitra. Te hampiasa ny firenen’Israely Andriamanitra, ho ohatry ny fankatoavana Azy eo imason’izao tontolo izao. Nampanantena azy ireo Andriamanitra fa hahazo fitahiana tsy ambara, nefa azo tsapain-tanana izy ireo raha toa ka hankatò ny Didy Folo. Izany dia mety hampiseho amin'izao tontolo izao fa ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra dia miteraka fitahiana lehibeRaha nanao ny tsara ny Zanak’Israely dia mety ho voataona ho amin'ny fiainana lehibe iray manontolo izao tontolo izao. Fantatsika nefa fa tsy nahatanteraka ny anjarany tamin'ny fifanekena ny Zanak’Isiraelita.

Nahoana?

Nampianarin'Atoa Armstrong antsika ny antony nahatonga ny tsy fahombiazany. Firenena ara-nofo izy ireo fa tsy firenena ara-panahyTsy nanana ny Fanahy Masin'Andriamanitra izy ireo; nefa ny lalàn'Andriamanitra dia ara-panahy (Romana 7:14). Noho izany, tsy nahay nankatò an'Andriamanitra afa-tsy teo am-bava ihany izy ireo. Ary na dia tamin’izany aza, dia tsy nahomby izy ireo! Tokony ho fantatsika fa ny Isiraely dia natao ho karazana firenena ara-nofo, manambara mialoha izay firenena ara-panahy mbola ho avy! Tamin’ny Soratry ny Lalàna ihany ny fanekena taloha fa tsy tamin’ny Fanahin’ny Lalàna. Ny fanekena vaovao kosa dia sady tamin’ny Soratra no tamin’ny Fanahin’ny Lalàna(Lettre de la loi et esprit de la loi).

Matio 3:1-12

[Ny nataon’i Jaona Mpanao batisa]

Matio 3:2 Mibebaha ianareo.

Ny fibebahana dia fanapahan-kevitra malalaka ataon’ny mpanota, ary azo taterahina araka ny herim-pahasoavana nomena azy ireo, noho ny fihainoany sy finoany ny Filazantsara (Asa 11:21). Tsy fewno mihitsy ny famaritana ny finoana mahavonjy ho toy ny hoe “fitokiana fotsiny” an’I Kristy ho Mpamopjy, raha tarafina amin’ny hoe mitaky fibebahana I Kristy. Tena mampivaona tanteraka ny hevitry ny Baiboly momba ny fanavotana ny famaritana io finoana mahavonjy io amim-pomba tsy voatery hiteraka fisarahana amin’ny fahotana hatrany ifotiny. Finoana miharo fibebahana kosa mandrakariva no fepetra ilaina hahazoana famonjena (Mar 1:15).

Ny fibebahana dia ansan’ny hafatra fototra nentin’ireo mpaminany ao amin’ny Test T (Jer 7:3), Jaona Mpanao batisa (Mat 3:2), Jesosy Kristy (Mat 4:17), ary ny Kristiana ao amin’ny Test V (Asa 2:38).

Tsy maintsy miara-dalana amin’ny hafatry ny Filazantsara mandrakariva ny fitoriana fibebahana (Lio 24:47).

Matio 3:7 Ny Fariseo sy ny Sadoseo

Anakiroa anin’ireo antokom-pivavahana natanjaka indrindra teo anivon’ny Jodaisma ny Fariseo sy ny Sadiseo.

(1)      Ny Fariseo dia antokom-pivvahana Jiosy izay sady nifikitra tamin’ny Test T manontolo no nanaraka ny fanazavana nataon’izy ireo araka ny maha-olona fotsiny. Nantitranteriny fa ny famonjena dia avy amin’ny fankatoavana ara-bakiteny ireo didin’Andriamanitra sy ny fanazavan’izy ireo izany didy izany. endrika ivelambelany fotsiny anefa ny fivavahan’izy ireo, fa tsy nisy fiovam-po anaty (23:27); tsy niaiky ny faharatsian’ny toetrany maha-olona azy rizareo. Samy notoheriny mazava na I Jesosy, n any hafatra nentiny izay milaza fa ny fivavahana marina dia resaka fo sy fanahy, fa tsy fankatoavana be fahatany ireo didy ao amin’ny Soratra Masina (Mat 9:14).

(2)      Ny Sadoseo kosa dia ireo malala-tsaina ara-teolojia sady mpandà izay zavatra tsy tratry ny sain’olombelona tamin’ny androny. Niseho ho mpandala ny lalàn’Andriamanitra rizareo, kanjo hay nandà ny ankamaroan’ny fampianarana ao. Nolaviny ny foto-pampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty, ny anjely, ny fahagagana, ny tsy fahafatesana, ary ny fitsarana ho avy. Matetika ny fiainany no nigoragora teo amin’ny lafiny fitondrantena sady nanaraka ny fomban’izao tontolo izao. Mpanenika an’I Jesosy Kristy ihany koa izy ireo (Mat 16:1-4).

Matio 3:8 Voa mendrika ny fibebahana

Ny tena fibebahana marina dia tsy maintsy miaraka amin’ny vokatry ny fahamarinana (Mat 23:23). Ary ny tena finoana mahavonjy sy ny fiovam-po marina dia tokony ho hita miharihary eo amin’ireo fiainan’olona mahafoy ny fahotana ka mamoa vokatra araka an’Andriamanitra (Jao 15:16). Izay milaza fa amino an’i Kristy sady zanak’Andriamanitra, kanefa ny fiainany tsy mamoa voa tsara, dia tahaka ireo hazo izay hokapaina ka hatsipy ao anaty afo (Mat 3:8-10, 12).

Matio 3:11 Hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina

Mampianatra I Jaona fa aqnisan’ny asa hosahanin’Ilay Mesia ho avy ny hanao batisa ireo mpanaraka Azy amin’ny Fanahy Masina, dia batisa manome hery lehibe hivelomana ho an’I Kristy sy hijoroana ho vavolombelona (Asa 1:5).

Matio 3:11 Sy ny afo

Ny seha-kevitra dia mampiseho fa milaza fitsarana io afo io (Lio 3:17). Tahaka ireo mpaminany ao amin’ny Test T ihany I Jaona ka tsy mba nahita ilay vanim-potoana tao anelanelan’ny fiaviian’I Jesosy voalohany sy ny fanindroany. Tamin’ny volohany I Jesosy dia tonga amin’ny maha-Mpamojy Azy. fa amin’ny maha-Mpitsara Azy kosa no hiverenany.

Jakoba 1:18-27

 [Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra]

Jakoba 1:21 Ario ny fahalotoana

Tsy afaka ny hanan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny Tenin’Andrimanitra na torina na voasoratra, raha tsy tsy efa nandao ny fahalotoana sy ny faharatsiana izany olona izany.

(1)      Mandidy antsika mpino Andriamanitra mba hiala amin’ireo fahalotoana izay tsy araka an’Andriamanitra rehetra, izay ampielezin’ny fiaraha-monina feno fitaka sady mitady handrombka antsika sy ny ankohonantsika. Mandoto ny fanahintsika sady mandrava ny fiainantsika ny fahalotoana (Efe 4:22).

(2)      Ambaran’ny Soratra Masina amintsika izay zavatra tsy azon’ny olon’Andriamanitra izay masina atao. Araka izany, tsy tokony hokasihintsika izay  mety ho fahavetavetana sy fady (Efe 5:3-4). Tokony hitandrina isika satria hanome alahelo ny Fanahy Masina sady fandikana ny fitsipika masina napetrak’Andriamanitra ho an’ny olony ny famelantsika izay mety ho fahalotoana ara-moraly hanjaka eo amin’ny fiainantsika na eo anivon’ny tokantranontsika, ao anatin’izany ny teny maloto sy ny fady hita amin’ny video sy ny fahitalavitra n any tranonkala. “Aza mety ho fitahin’olona amin’ny teny foana hianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra … Ka aza mety ho mpiombona aminy hianareo.

(3)      Tokony hosainintsika tsar any amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana amin’ny maha-mpino antsika. Tokony ho voafafa sy hadio tsara ny ao an-tranontsika ka hofenoina  ny Tenin’Andriamanitra  sy ny fahamasinan’I Kristy (Mat 12:43-45).

Jakoba 1:21 Teny nambolena

Manomboka ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy ny Kristiana “tamin’ny teny fahamarinana” (1:18). Ny fiainam-baovao ao amin’I Kristy dia mitaky ny fialantsika tanteraka amin’ireo fahalotoana ara-moraly izay manafintohina ny Fanahy Masina sy ny fijoroantsuika tsara amin’ny fanekentsika ny Tenin’Andriamanitra. Mitondra antsika ho any amin’ny famonjena antsika farany ny teny izay nambolena (Mat 13:3-23; Rom 1:16).

Jakoba 1:25 Ny lalàn’ny fahafahana

Io lalàna io dia ny sitrapon’Andriamanitra izay tafatsofoka ao am-pontsika satria mitoetra ao ny Fanahy Masina (Eze 11:19-20). Tsy ny famindrampo sy famelan-keloka (2:12-13) ihany no raisintsika amin’ny alalan’ny finoantsika an’I Kristy fa ny hery sy ny fahafahana mankatò ny lalàn’Andriamanitra ara-moraly koa (Rom 3:31). Antaoina hoe “lalàn’ny fahafahana” izany satria irin’ilay mpino mihitsy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra: “Ary handeha amin’ny malalaka aho; fa ny didinao no tadiaviko” (Sal 119:45). Tsy famelana hanitsakitsaka ny didin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ny fahafahana fa fahafahana sy hery hankatò azy ireny sy hijoro amin’izay tanjona namoronana antsika.

Jakoba 1:27 Fitiavana madio sady tsy misy loto

Jakoba dia manome fitsipika roa hamaritana ny votoatin’ny tena fivavahana marina sady madio, izany hoe fanokanatena marina ho an’Andriamanitra.

(1)      Ny fanomezan-tanana ireo olona izay tena sahirana (and 27b). Vitsy ihany ny fomba nahafahan’ny kamboty sy ny mpitondrantena miahy ny tenany tamin’ny ndron’ny Test V. Tsy misy mpiahy ny mpanampy izy ireo matetika. Andrasana ny mpino mba hikarakara sy hanome fitiavana azy ireny toy izay asehon’Andriamanitra amin’ireo kamboty ray sy ny mananotena (Sal 146:9). Misy amin’ireo rahalahy sy rahavavintsika ao amin’I Kristy koa ankehitriny no mila fikarakarana am-pitiavana. Tokony hitady izay hanamaivanana ny fanaintainany isika ka hampiseho amin’izy ireo fa mikarakara azy koa Andriamanitra (Gal 6:10).

(2)      Fiainam-pahamasinana (and 27d). Milaza I Jakoba fa tokony hampiarahina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra izay miseho amin’ny fandaozana ny fomba feno fahotana eto amin’izao tontolo izao ny fitiavana ny hafa. Tokony hampiarahana amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra ny fitiavana ny hafa, raha tsy izany dia tsy azo lazaina hoe fitiavana kristiana.