FETIN’NY TABERNAKELY VOALOHANY TAO AN-TENDROMBOHITRA SINAY
TENIN’ANDRIAMANITRA
Eksodosy 34:28-35
Lioka 9:28-36
Apokalypsy 19:12-21
Eks 34:28-35
[Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena]
(Eksodosy 34:28) « Dia
teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy
nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny
tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo. » (Eksodosy 34:29) « Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra
Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy
nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry
ny tavany noho ny nitenenany taminy. » (Eksodosy 34:30) « Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely
rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra
azy izy. » (Eksodosy 34:31)
« Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana
rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy. » (Eksodosy 34:32) « Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny
Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i
Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 34:33) « Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy
taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. » (Eksodosy 34:34) « Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah
Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia
nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy. » (Eksodosy 34:35) « Ary hitan'ny
Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny
tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny
hiteny aminy indray. »
Lioka 9:28-36
[Ny niovan’i Jesosy tarehy tao an-tandrombohitra]
(Lio 9:28)
« Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra
an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra
hivavaka. » (Lio 9:29)
« Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny
fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. » (Lio 9:30) « Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia
Mosesy sy Elia, » (Lio 9:31)
« izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any
Jerosalema. » (Lio 9:32)
« Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa
nahari-tory ihany* izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay
teo aminy.[*Na: Nony nahatsiaro tsara] » (Lio 9:33) « Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy
Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay
hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny
anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy. » (Lio 9:34) « Ary raha mbola niteny
izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao
anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy. » (Lio 9:35) « Ary nisy feo avy tao
amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. » (Lio 9:36) « Ary
rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo
ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny
amin'izay zavatra efa hitany. »
Apokalypsy 19:12-21
[Ny amin’Ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany,
izay naharesy ny bib-dia sy ny mpaminany sandoka]
(Apokalypsy 19:12)
« Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy
manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany
ihany. » (Apokalypsy 19:13)
« Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany atsoina hoe Ny
Tenin'Andriamanitra. » (Apokalypsy
19:14) « Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy,
samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. »
(Apokalypsy 19:15) « Ary misy
sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary
Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny
divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. » (Apokalypsy
19:16) « Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy
nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. » (Apokalypsy 19:17) « Ary hitako fa,
indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso
tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny
habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana
lehiben'Andriamanitra, » (Apokalypsy
19:18) « mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy
arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy
ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na
lehibe. » (Apokalypsy 19:19)
« Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany
tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny
miaramilany. » (Apokalypsy 19:20)
« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny
mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay
nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo
anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho
any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apokalypsy 19:21) « Ary ny olona
sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly;
ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. »
Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Ny Eksodosy 19 sy 20 sy 34 dia mikasika “Ny nanaovan’i Jehovah ny Fenekena voalohany tamin’ny Zank’Isiraely sy
ny anomezany ny Didy folo” nandritra ny Pentekosta voalohany sy ny Fetin’ny
Tabernakely voalohany tany an-efitra.
Fotoana tsara indrindra
handinihana ny hevi-panahin’ireny Andro Firavoravoana voatendrin’i Jehovah
ireny ny vanim-potoana mifanadrify amin’ireny eo amin’ny fiainan’ny fiangonana.
Mahafantatra avokoa isika ny amin’ny tantaran’ny Paska
voalohany. Isan-taona, rehefa manakaiky ny Paska, dia miverina amin’ireny
zava-nitranga ireny isika, dia ny niarovan’i Jehovah ny lahimatoan’ny Isiraely,
sy ny nanafahany azy ireo tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Dinihintsika ny
lesona tsy maintsy tadidina momba ny Paska voalohany, sy ny andro fihinanana ny
Mofo Tsy Misy Masirasira. Ankafizintsika koa ny maha-zava-dehibe ny Paska
farany nolalovan’i Kristy niaraka tamin’ny mpianany, ny nijaliany sy ny
nitsanganany tamin’ny maty, izay fahatanterahan’ny ohatra nomen’Andriamanitra
tamin’ny Testamenta Taloha.
Ilaina ianarana toy izany koa ny amin’ny Pentekosata, fantarina
ireo zava-nitranga tamin’ny Pentekosta voalohany izay niainan’ny Zanak’Isiraely
tany an’efitra rehefa nivoaka an’i Egypta izy – tamin’ny nanomezan’i Jehovah
azy ireo ny Didy Folo avy teo an-tendrombohitra Sinay. Io lanonana io no
nanamarika ny nanaovana ny Fanekena voalohahy teo amin’i Jehovah sy ny
Isiraely. Hotsiahivintsika ny Pentekosta voalohany tamin’ny Testamenta Vaovao, izay
nandrotsahan’Andriamanitra ny Fanahy Masina tamin’ny fomba mahagaga tamin’ireo
mpianatr’i Kristy. Izay andro izay no manamarika ny fiantombohan’ny Fanekena
vaovao, natao teo amin’Andriamanitra sy ny olona rehetra izay mamaly ny antsony.
Ny zava-miseho mifamatotra amin’ny Paska voalohany tao
Egypta sy ny Paska farany nahafatesan’i Jesosy Kristy ary ny Pentekosta
voalohany nandrotsahan’Andrimanitra ny Fanahy Masina teo amin’ny Testamenta
Vaovao dia voasoratra mazava ao amin’ny Soratra Masina. Ny fiverenana mandrakariva
amin’ny fankalazana voalohany an’ireo Fety ireo no ahazoantsika mahafantatra
bebe kokoa ny lesona ara-panahy tian’Andriamanitra hampianarina antsika.
Fa mba lesona inona no azontsika ianarana amin’ny
Fetin’ny Tabernakely voalohany? Ny Soratra Masina ve mitantara ny zava-niseho
mifamatotra amin’ny Fetin’ny Tabernakely voalohany? Raha eny, inona no
azontsika tsoahina? Amin’ity lahatsoratra ity, andeha hodinihintsika izay
ambaran’ny Baiboly momba izany. Hanome antsika fahitana vaovao momba ireo Fety
amin’ny fizaran-taona farany izany, izay ampahafantaran’Andriamanitra ny
Planiny be voninahitra momba ny famonjena.
FIVERENANA
AMIN’NY TAONAN’ISIRAELY VOALOHANY
Ny zava-miseho mifamatotra amin’ny fankalazana ny Paska
voalohany sy ny Andro fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia voatantara
an-tsipiriany ao amin’ny Eksodosy 12.
Raha tena mazava ny Baiboly mikasika ny daty sy ireo zava-miseho ny amin’ireo,
tsy dia tsotra tahaka izany kosa ny momba ny Pentekosta sy ny Fetin’ny
Tabernakely. Nefa ny fandinihana amim-pahamalinana ny Soratra Masina dia
mampiseho amintsika fa tamin’ny andron’ny Pentekosta voalohany no nanomezan’Andriamanitra
ny Didy folo.
Ny andron’io Fety io dia tsy mifanaraka lalandava amin’ny
daty mitovy eo amin’ny kalandrie, satria tsy
maintsy manisa 50 andro isika manomboka amin’ny alahady ao anatin’ny
herinandro fitandremana ny Mofo Tsy Misy Masirasira (ny andro fitondrana
ny amboara iray ahevaheva). Ny daty anefa dia tsy miova lavitra eo anelanelan’ny 5 sy 10 Sivana.
Ny lovan-tsofina jiosy dia manondro ny andron’ny
Pentekosta voalohany ho ny 6 Sivana. Tamin’ny
nahaveloman’i Kristy teto an-tany, ireo mpisoron’ny tempoly dia nanisa marina
manomboka tamin’ny andro itondrana ny amboara iray ahevaheva – ny alahady. Ny
Fariseo kosa dia nanohy nitandrina ny 6
Sivana tsy amim-pandinihana ny andron’ny herinandro (toy izay ataon’ny
ankabeazan’ny Jiosy ankehitriny). Miharihary ny fanoroan’ny Soratra Masina fa
ny Pentekosta voalohany dia tamin’ny 6
Sivana, satria tamin’ny taonan’ny Fifindrana avy any Egypta dia andro
alahady io daty io.
Tsy voalaza ny anaran’ny andro nivoahan’ny Zanak’Isiraely
avy teo Egypta, ny faha 15 Nisana izay fanombohana ny Fihinanana Mofo Tsy Misy
Masirasira. Rehefa kajina anefa ny isan’ny andro manomboka ny ampitson’io ka
hatramin’ny faha 6 Sivana nanomezan’ Andriamanitra ny Didy folo teo am-pototry
ny tendrpombohitra Sinay, dia manome 50 andro marina tsara, satria 15 andro sisa amin’ny volana Nisana mandra-pahatongan’ny faran’ny volana
izay misy andro 30. Raha ampiana ny 29 andro amin’ny volana faha 2
Iyar io sy ny 6 andro amin’ny volana
Sivana, dia mitontaly 50 andro marina tsara ireo; izany no fe-potoana
nofaritan’i Jehovah hahatongavana amin’ny andro Pentekosta (Levitikosy 23:15-16). “SABATA lehibe” fanafahana izany ny
faha 15 Nisana. Ny ampitson’ny Sabata amin’ny
herinandro fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira kosa no fanombohana ny fanisana 50 andro ahatongavana amin’ny Pentekosta, izany hoe ny faha 16 Nisana tamin’ny
fotoana nivoahan’ny Zanak’Isiraely avy tao Egypta.
Mariho izay
asongadin’ny Soratra Masina: (Eksodosy 19:1)
« [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo
an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon' Andriamanitra taminy] Tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny
Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no
nahatongavany tany an-efitr'i Sinay. » Ny teny hebreo nadika hoe volana dia chodesh; ary araka ny hevitry ny teny dia momba ny voalohan’ny volana io. Noho
izany, ny teny hoe “izany andro izany”
eto dia milaza ny andro voalohany
amin’ny volana - ny andro isehoan’ny volana vaovao, - izany hoe ny voalohan’ny
Sivana.
Ny ampitson’ny
nahatongavan’ny Zanak’Isiraely tao Sinay, dia niakatra tao an-tendrombohitra i
Mosesy mba hiresaka amin’Andriamanitra, handray ny toromarika momba ny Fanekeny
(Eks 19:3-6). Tamin’ny 2
Sivana io. Raha vao tafidina avy any an-tendrombohitra kosa izy dia
namory ny olona sy nitatitra ny tenin’i Jehovah (and 7-8a). Tamin’ny 3 Sivana io. Ny ampitson’io indray,
izany hoe ny 4 Sivana, dia niverina
tany an-tendrombohitra izy hilaza ny valin-tenin’ny olona tamin’Andriamanitra (and 8b-9). Dia nandidy an’i Mosesy
Jehovah mba hanamasina ny olona “anio sy
ampitso”, mba hahavonona azy ireo hiseho
eo anatrehany amin’ny andro fahatelo (and
10-11). Ny teny hoe “anio sy ampitso” dia manondro ny 4 sy 5 Sivana. Ary dia
niseho teo anatrehan’i Jehovah ny olona tamin’ny 6 Sivana –andron’ny Pentekosta voalohany. Tamin’io andro io indrindra no
nanononan’i Jehovah mivantana tamin’ny feo mahery ny Didy folo teo anatrehan’ny
Zanak’Isiraely, araka izay voatantara ao amin’ny Eks 20:1-17, manomboka amin’ny hoe: (Eks
20:2) « Izaho no Jehovah
Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta,
tamin'ny trano nahandevozana. » (Eks
20:3) « Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » …
Azontsika fantarina amin’ny fomba toy izany koa ve izay
niseho tamin’ny Fetin’ny Tabernakely voalohany – ny faha 15 amin’ny volana faha 7 tamin’ny taona nivoahan’Isiraely avy
any Egypta? Ho hitantsika ny valiny amin’ny fampitahana ny tantara ao amin’ny
Eksodosy sy Deotoronomia.
Mialoha ny zava-drehetra, fantaro fa misy 127
andro hatramin’ny 6 Sivana ka
hatramin’ny 15 Tisrhi (andro voalohany
amin’ny Fetin’ny Tabernakely). Inona no zava-miseho lehibe asongadin’ny
Baiboly mandritra ireo 127 andro
ireo?
Taorian’ny
nanomezanan’Andriamanitra ny Lalàny tamin’ny andron’ny Pentekosta voalohany,
dia niakatra tao an-tendrombohitra Sinay tamin’ny havoana voafetra Mosesy sy ny
loholon’Isiraely. Ary dia niatrika fanasana lehibe teo anatrehan’i Jehovah izy
ireo.
(Eks 24:1-2, 9-12, 16) [Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny
fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny Isiraely an'Andriamanitra]
(Eks 24:1) « Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i
Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny
Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo; » (Eks 24:2) « nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa
ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. » (Eks 24:9) « Dia niakatra Mosesy sy
Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny
Isiraely. » (Eks 24:10) « Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely
izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira
voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany. » (Eks 24:11) « Ary tsy naninjitra ny
tànany tamin'ireo lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita an'Andriamanitra
izy ireo, ary nihinana sy nisotro. » (Eks
24:12) « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto
an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny
lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy. » (Eks 24: 16)
« Ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay,
ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro
fahafito teo afovoan'ny rahona Izy. »
Ho fehiny: Tao
anatin’ny enina andro taorian’ny Pentekosta voalohany nilazan’i Jehovah ny Didy
folo no nisian’ilay fanasana lehibe nataony ho an’i Mosesy sy Arona ary ny
loholon’ny Zanak’Isiraely. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoiny ho any
an-tendrombohitra Mosesy. Inona no niseho taorian’izany? Niditra tao afovoan’ny rahona Mosesy ary niakatra tao an-tendrombohitra.
Nijanona tany nandritra ny 40 andro sy 40 alina izy (and 18).
Nandritra ny
fotoana nijanonany tany, ny Zanak’Isiraely dia nanamboatra andriamani-tsi-izy
ombilahikely volamena; ary rehefa nidina avy tao Sinay Mosesy, dia nahita ny
olona teo am-panompoan-tsampy sy fijangajangana.
Dia tezitra
tamin’izy ireo Jehovah ary nandrahona ny handringana ny firenena manontolo.
Nefa nitalaho ny famindrampon’Andriamanitra Mosesy, sady nivavaka sy nifady
hanina ho an’ny olona. Mba efa nanotany tena ve hianao hoe impiry Mosesy no nitalaho tamin’i Jehovah, taorian’io nidinany avy tany
an-tendrombohitra io? Ny Soratra Masina dia milaza fa naharitra 40 andro sy 40
alina izany (Deo 9:15-21).
(Deo 9:17) « Dia noraisiko ny
vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo
imasonareo. » (Deo 9:18)
« Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina
tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny
fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo
imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy. » (Deo 9:19) « Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana
aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy
indray Jehovah tamin'izany andro izany. »
Taorian’izay Mosesy dia niverina tany an-tendrombohitra
teo anatrehan’i Jehovah Izay nanome azy dikany faharoa amin’ny Didy folo. Nijanona
tany 40 andro sy 40 alina indray izy (Eks 34:1-4, 28).
Ho famintinana:
manana fotoana 7 andro isika aorian’ny Pentekosta, mandritra izany Mosesy dia
nitoetra niaraka tamin’i Jehovah; manaraka izany dia fotoana 40 andro in-telo,
ary ny fitambaran’ireo dia 127 andro.
Ahoana no
ahafantarantsika fa misy 127 andro eo anelanelan’ny Pentekosta voalohany sy ny
fiandohan’ny Fetin’ny Tabernakely? Ny kalandrie hebreo dia sady manaraka ny
volana no manaraka ny masoandro. Ny fotoana iray volana dia mifototra amin’ny
fihodinan’ny volana manodidina ny tany, ary dia 29,5 andro no fetrany. Izany antony izany no anisana ny iray volana
mifandimby ho 29 sy 30 andro amin’ny
kalandrie herbreo. Ny volana voalohany,
fahatelo, fahadimy sy fahafito dia miisa 30
andro avy; fa ny volana faharoa,
fahefatra sy fahenina kosa dia 29 andro.
Raha tamin’ny 6 Sivana ny Pentekosta
voalohany, dia 24 andro sisa
hahatongavana amin’ny faran’ny volana fahatelo. Raha ampifanampiana
amin’ireo 24 andro ireo ny 29 andro
amin’ny volana fahefatra, ny 30
andro amin’ny fahadimy, ny 29 andro
amin’ny fahenina sy ny 15 andro
voalohany amin’ny volana fahafito, dia mitotaly 127 andro ireo.
Misy 127 andro marina tsara eo anelanelan’ny fotoana
nanomezana ny Lalàna tamin’ny Pentekosta voalohany, sy ny andro nidinan’i
Mosesy avy any an-tendrombohitra Sinay fanindroany! Ny andro nidinan’i Mosesy fanindroany avy any an-tendrombohitra Sinay
izany dia ny fanombohan’ny Fetin’ny Tabernakely!
Mariho ary izao:
(Eks 34:29)
« Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny
vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra,
ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany […]. » (Eks 34:30) « Ary […] ny
Zanak'Isiraely rehetra […] dia natahotra ny hanatona azy izy. »
Ny Eksodosy 25
dia mitantara fa niantso ny Zanak’Isiraely Mosesy, ary nanome baiko azy hanamboatra tabernakely izay hametrahana ny
Fiaran’ny Fanekena. Ny tabernakely
dia manohatra fa Andriamanitra nonina teo afovoan’ny olon’Isiraely (Eks 25:8).
Inona no hevitr’izany rehetra izany? Hitantsika eto mpitarika iray tonga amin’ny voninahitra,
sy mitondra ny Didin’Andriamanitra.
Hitantsika eo anivon’ny firenena koa ny fanomanana tabernakely ho an’Andriamanitry ny Isiraely. Ireo “zavatra telo ireo miaraka”
dia mifamatotra lalina amin’ny fahatanterahan’ny
Fetin’ny Tabernakely, araka izay hohitantsika manaraka.
TONGA
AMIM-BONINAHITRA
Rehefa nanantona ny tobin’Isiraely izay teo am-pototry ny
tendrombohitra Sinay i Mosesy, ny zavatra voalohany hitan’ny Zanak’Isiraely dia
misy heviny roa:
1) Tsy fantatry Mosesy ho
namirapiratra ny hoditry ny tavany.
2) Misy taratry ny voninahitra azony
teo amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra avy teo aminy.
Ny Zanak’Isiraely nahita fa tena mampatahotra io voninahitra io, koa tsy
maintsy nanisy fisalobonana ny tavany Mosesy rehefa niteny tamin’izy ireo.
Nesoriny ny fisalobonana rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana hiresaka
amin’Andriamanitra izy, fa napetany kosa rehefa mivoaka noho ny tahotry ny
olona (Eks 34:29-35).
Ny apostoly Paoly dia milaza fa nandalo ny voninahitra (2Kor 3:7). Manarak’izany dia nampitaha
io voninahitr’i Mosesy mandalo io tamin’ny voninahitr’i Kristy izay maharitra
mandrakizay izy: Araka ny nametahan’i Mosesy fisalobonana rehefa hiresaka
amin’ny vahoaka, dia toy izany no mampisy fisalobonana ny hevi-panahin’ny
hafatra nentiny ho an’ireo izay nandre azy. Ny Soratra Masina dia nanambara
mialoha ny fotoana izay hiseho toy izao:
(Isaia 25:6) « Ary Jehovah,
Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity
tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay
efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio
tsara. » (Isaia 25:7)
« Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona
ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. »
Ireo
andinin-tSoratra Masina ireo dia milaza mialoha ny fotoan’ny Fanjakan Arivo
Taona, ary ireo teny ireo dia mila vakina
matetika sy torina mandritry ny Fetin’ny Tabenrakely.
Jesosy Kristy dia nilaza tamin’ny mpianany fa ny sasany
amin’izy ireo dia hahita Azy avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Mat 16:28). Herinandro taorian’izay dia
tanteraka izany nandritra ny fahitana naseho an’i Petera sy Jakoba ary Jaona; izany no zava-niseho tena hotsarovan’izy
ireo indrindra amin’ny androm-piainany. Nitondra
azy ireo tany an-tendrombohitra avo Jesosy, ary niova tarehy teo anatrehany: Hitan’izy
ireo namirapiratra toy ny masoandro ny tarehiny, ary ny fitafiany tonga fotsy manelatrelatra. Hitan’izy ireo teo
anilany koa Mosesy sy Elia, niseho tamin’ny voninahitra mamirapiratra.
Izao no voatantara ao amin’ny Lioka 9:27-36:
(Lio 9:27) « Fa lazaiko
aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana
mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio 9:28) « Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny
izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany
an-tendrombohitra hivavaka. » (Lio
9:29) « Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny,
ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. » (Lio 9:30) « Ary, indreo, nisy roa
lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, » (Lio 9:31) « izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny
fialany, izay efa hefainy any Jerosalema. » (Lio 9:32) « Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny
namany; nefa nahari-tory ihany* izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy
roa lahy izay teo aminy.[*Na: Nony nahatsiaro tsara] » (Lio 9:33) « Ary tamin'ny
nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara
raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho
Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy
fantany izay nolazainy. » (Lio 9:34)
« Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy
ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny
mpianatra telo lahy. » (Lio 9:35)
« Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko;
Izy no henoy. » (Lio 9:36)
« Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary
nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza
tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany. »
Inona no hevitr’io
voninahitra mamirapiratra io? Jeosy Kristy dia hiverina eto an-tany amin-kery sy
voninahitra lehibe amin’ny fiantombohan’ny fahatanterahan’izay ambaran’ny
Fetin’ny Tabernakely (Mat 24:30). Ny olo-masina dia hasandratra amin’ny
voninahitra mba hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy amin’ny firenena rehetra.
Araka ny anambaran’i Daniela azy, ny olo-masina atsangana amin’ny maty dia
hamirapiratra toy ny kintana (Dan 12:3).
Ny tenantsika nofo dia hovana amin’ny fitsanganana amin’ny maty, mba hanana
fombam-panahy mitovy amin’ny tenan’i Kristy be voninahitra (Filip 3:21). Andriamanitra dia eo
an-dalam-pitondrana zanaka marobe ho amin’ny voninahitra (Heb 2:10).
Rehefa nidina
avy tao an-tendrombohitra Mosesy, tamin’ny andro voalohany amin’ny Fetin’ny
Tabernakely, dia namirapiratry ny voninahitra izy. Io zava-miseho io dia
manambara mialoha ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny firenena
rehetra, rehefa manjaka eto an-tany amim-boninahitra lehibe Jesosy Kristy sy ny
olo-masina nomena fiainana mandrakizay.
NY LALÀN’ANDRIAMANITRA
Rehefa nidina
avy tao an-tendrombohitra Mosesy, tamin’ny faha 15 ny volana faha 7, dia tsy feno voninahitra fotsiny izy, fa sady nitondra ny Didin’i Jehovah (Eks 34:29). Rehefa miverina eto an-tany Jesosy
Kristy, dia hanjaka amin’ny firenena rehetra amin’ny Didin’Andriamanitra Izy.
(Isaia 2:2) « Ary izao no
ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina
eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny
jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:3) « Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha
isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, ho any an-tranon'Andriamanitr'i
Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny
atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny
tenin'i Jehovah. »
Aorian’izany, ny
mpaminany Isaia dia mitantara izay ho toetry ny Tontolo Izay Ho Avy (Monde à Venir), rehefa mitsara izao tontolo
izao amin’ny fahamarinana ny Mesia. Amin’izany fotoana izany, dia « Tsy handratra na hanimba eran'ny
tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho
henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny
ranomasina » (Isaia 11:9).
Ho fantatra manerana izao tontolo izao ny
Lalàn’Andriamanitra.
Ny mpaminany
Ezekiela dia manazava fa ny Zanak’Isiraely dia hangonina amin’ny fiandohan’ny
fanjakana arivo taona. (Eze 11:17) « Koa lazao
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo,
ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny
tanin'ny Isiraely ianareo. » Ny firenen’Isiraely dia hivoaka avy any
amin’ny fahababoana faran’izay mahatsiravina – fahababoana noho ny fahotan’ny
fireneny, satria nanao tsinontsinona ny Lalàn’Andriamanitra izy.
Rehefa voangona any amin’ny taniny ny Isiraely, dia ho ao
anatin’ny fibebahana lalina ny fireneny. Amin’izany fotoana izany, Jehovah
hanome fo vaovao sy fanahy vaovao an’Isiraely. Handeha marina araka ny
fitsipika sy fitsaran’Andriamanitra ny olona, izy ireo ho olony, ary hanompo
an’i Jehovah toy ny Andriamaniny izy (Eze
11:19-20).
Ny mpaminany Jeremia dia manazava fa amin’ny fanekena
vaovao, dia hosoratan’i Jehovah ao am-pontsika sy ao amin’ny fanahintsika ny
lalàny, rehefa mizara ny Fanahiny Masina Izy. (Jer 31:33). Rehefa miaina ao anatin’ny filaminana ny firenena
rehetra eran-tany, dia hioty fitahiana izy ireo fa tsy ozona, ary ny fiadanana sy ny fandrosoana hanjaka
eran’izao tontolo izao.
Ny Fetin’ny
Tabernakely dia mampahatsiaro antsika ny Fanjakan’Andriamanitra arivo taona. Koa satria
hotorina sy hotandremana manerana ny tany rehetra ny lalàn’Andriamanitra, dia
ho fotoana mampitolagaga izany. Ny andro
voalohany amin’ny Fetin’ny Tabernakely, izay nidinan’i Mosesy avy any
an-tendrombohitra mitondra ny Didy folo voasoratra teo ambon’ny vato fisaka
roa, dia tandindon’ny fotoana hiverenan’i Jesosy Kristy hanorina fanjakana
maneran-tany, miorina amin’ireo lalàna ireo ihany.
NY FETIN'NY TABERNAKELY MANEHO NY FONENAN’ANDRIAMANITRA AMINTSIKA
Ny mpamiany Daniela dia manazava, ao amin’ny toko faha 2 sy 7, fa ho avy ny andro izay hanorotoroana sy handevonana
ny fanjakan’izao tontolo izao. Ny marina dia izao: (Dan 2:44) « Ary amin'ny
andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay
tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa,
fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa
hitoetra mandrakizay. » (Daniela 7:27) « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny
fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny
olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny
fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. »
Ny Mpanjakan’io
Fanjakana io dia Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty sady be voninahitra (Apo 19:11-16). Izy no Ilay
Vatolampin’Isiraely fahizay (1 Kor 10:4),
noho izany, honina eo amin’Isiraely Izy sady hameno ny tabernakely amin’ny
voninahiny.
Taty aorian’izany faminanian’i Daniela izany, ny
vatolampin’ Isiraely – Ilay niaraka tamin’Andriamanitra Tsitoha hatramin’ny
voalohany, sady fitaovana namoronana ny zava-drehetra – dia tonga nofo aman-dra
rehefa nateraka ho olona (Jao 1:1-3, 14).
Lazain’ny apostoly Jaona fa ny Teny dia tonga
nofo, ary “nonina” tamintsika (and
14). Ny teny grika nadika hoe “monina” dia milaza ara-bakiteny hoe
“manana
lay”. Tamin’ny fiandohan’ny
Fetin’ny Tabernakely, Mosesy dia nibaiko ny Zanak’Isiraely hanamboatra
tabernaekely, mba hahazoan’i Jehovah monina eo amin’izy ireo. Ireo baiko
ireo dia fanambarana mialoha ny fotoana izay “honenan”’Andriamanitry ny Isiraely eo
amin’ny olony – voalohany toy ny
olombelona tsotra nofo aman-dra, amin’ny
manaraka dia ho Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, be voninahitra, amin’ny firenena rehetra, amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy.
Ny Isaia 32 dia mitantara ny fotoana
hanjakan’ny Mpanjaka araka ny fahamarinana (and 1): « Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry
fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno
fiadanam-po; » (and 18).
Jerosalema, ilay tananan’ ny Mpanjaka lehibe, dia lazaina ho toy ny tranolay
(na tabernakely) izay tsy ho rava mandrakizay (Isa 33:20).
Mandritra ny fanjakana arivo taona, Andriamanitra dia
hankatoavina toy ny Mpitsara, Mpanome lalàna, Mpanjaka sy Mpamonjy (and 22). Rehefa monina amin’ny olony ny
Tompo, ka mahita ny voninahiny ny olona, dia ho fotoana izay hampamelana ny
tany efitra izany, hahiratan’ny jamba ary hahasitrana ny mandringa (Isa 35:1-6).
Ny Fetin’ny
Tabernakely dia manambara ny fanjakan’ny Mesia mandritra ny arivo taona: (Isaia 40:10-11) « Indro,
Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro,
ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo
anoloany. » « Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny
sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny,
ary horoahiny miadana ny ampianahany. » Io Fety io no mampahatsiaro antsika fa Jesosy Kristy dia
honina tsy ho ela eto an-tany eo anivon’ny olombelona, ary ho Mpanjakan’ny
mpanjaka.
Ho jerentsika mihoatra ny Fanjakana arivo taona aza,
miaraka amin’ny fotoana manaraka azy: (Apo 21:3) « …: Indro, ny tabernakelin' Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary
Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo
aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] »
Rehefa manakaiky ny Fetin’ny Tabernakely, andeha
hodinihintsika ny lesona tsy maintsy tadidina momba ilay fankalazana voalohany
nataon’ny Zanak’Isiraely tany an-efitra. Tamin’izay andro izay, Mosesy nidina
avy tao an-tendrombohitra Sinay, namirapiratry
ny voninahitra rehefa nitoetra 40 andro
sy 40 alina teo anatrehan’ Andriamanitra. Nitondra teny an-tanany ny Didin’Andriamanitra izy, sy ny planina hanamboarana ny tabernakely
izay honenan’ Andriamanitra eo amin’ny olony. Ireo “zavatra telo aharo” mamorona ny Fetin’ny Tabernakely voalohany ireo
no manambara mialoha ny fanatanterahana faratampony ny Fanjakan’Andriamanitra
eto an-tany, izay ho avy tsy ho ela (tandindona)!
FISAORANA: (Apo 5:13b) « … Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny
seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny
voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. » Amena! Haleloia!”